• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Baban Zanfan
Image
Vaovao

Maintirano : Nampitomboina ny zanakazo ho vokarina ao amin’ny tanin-janakazo Ambararata kely

07/11/2024 16:34 © Moov

Ao anatin’ny fiomanana amin'ny taom-pambolen-kazo 2024-2025 ny faritra Melaky. Nanapakevitra ny hampitombo ny zanakazo ho vokarina ny ao Maintirano, ao amin’ny tanin-janakazo Ambararata kely. Raha ny vinan’ity Faritra ity dia ho ampitomboina hatramin’ny 400 000 isa ny zanakazo amin’ity taona ity raha teo ho eo amin’ny 350 000 isa teo izany isan-taona. Tanjona ao anatin’izany moa ny fanatrarana ny vina izay hanamaitso an’ny Madagasikara iray manontolo.

Zanakazo karazany maro

Efa ao anatin'ny fanatanterahana ny famokarana zanakazo izay hambolena amin'ny taona 2025 ny ao amin'ny faritra Melaky amin'izao fotoana izao. Raha io ao anatin’ny Distrikan'i Maintirano manokana io no resahina dia hamokatra zanakazo isan-karazany miisa efatra hetsy (400.000) izy ireo. Ahitana hazo isan-karazany izany, ao ny fihinam-boa toy ny voasary, manga, sakoa, kily sy ny maro hafa. Eo ihany koa ireo karazana hazo fandrehitra sy fampiasa amin’ny fiainana andavan’andro toy ny kininina, Akasia, Bonara, Baobao sy ny hafa. Eo ihany koa anefa ireo hazo afaka atao haingon-tanàna. « Nanosika anay nampiakatra io isa io ny tanjon’ny Fitondram-panjakana fa indrindra ny faharisian’ny mponina mamboly hazo amin’izao fotoana izao », hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny ala tany an-toerana, Miora Andrianirina.

Asa Tagnamaro

Niara nifarimbona tamin'ny fanaovana tselika na "semi-direct" ireo vihin-kazo (graines) natao anatin'ny "sachet plastic"io tamin'ny alalan'ny TAGNAMARO ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tokony. Tao anatin’izany ny sivily sy ny miaramila miaraka amin'ireo mpiray ombon'antoka izay notarihin'ny Goverinoran'i Melaky mpisolo toerana Ranamakirahina Jean Noël. Raha ny tanjon’ny faritra dia hampiakatra ny velaran-tany feno hazo amin’ity taona ity. « Mbola manana tanjona isika amin’ity taom-pambolena 2024 2025 mba hahatratra toerana mirefy 3 000ha volena hazo. Tafiditra ao anatin’izany ny ala honko sy ny ala maina », hoy ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ao Melaky. Izany rehetra izany no anton’ny fiaraha-miasa tamin’ity asa tagnamaro ity.

Lire la suite

Articles Similaires