Herinaratra : Manamora ny fisitrahan’ny Malagasy angovo maitso, ny M'Balik sy ny SMMEC
Fotoana izao hampiroboroboana ny fampiasana angovo maitso, na noho ny zava-misy eto Madagasikara, na noho ny olana sedraina maneran-tany eo amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana. Mizotra mankany amin’izany fampiroboroboana angovo madio sy azo havaozina izany ny fifanaraham-piaraha-miasa misy eo amin’ny Société Malagasy Mutualiste d'Epargne et de Crédit (SMMEC) sy ny M'Balik, izay nampahafantarina androany 7 novambra 2024.
Azo aloa tsikelikely
Fitaovana mamatsy herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro vokarin’ny orinasa Telma, ny M'Balik, izay miendrika « Kit » isan-karazany, mifandraika amin’ny filàna sy ny fahefa-mividin’ny tsirairay. Amin’ny ankapobeny dia azo aloa tsikelikely ao anatin’ny 6 hatramin’ny 12 volana ny vokatra M'Balik, fa ireo mpikambana SMMEC maniry ny hisitraka azy kosa dia ho afaka mandoa izany tsikelikely ao anatin’ny 6 hatramin’ny 24 volana, noho ny fiaraha-miasa manokana eo amin’ity fikambanana ity sy ny M'Balik.
Tsy ny lafiny ara-barotra loatra anefa no tena antom-pisian’ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny roa tonta, araka ny fanazavan’i Hery Mamy Michel Nirina, tale lefitry ny SMMEC Vonjy, fa ny famporisihana ny besinimaro hiroso amin’ny fampiasana angovo maitso. « Te hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana maharitra ny SMMEC », hoy ny fanazavany.
Tsotra sy mora ampiasaina
Araka ny nambaran’ny talen’ny M'Balik, Ramanantoanina Satanirina, dia tsy natao ho famonjena ao anatin’ny vanim-potoana misy olana fotsiny, ireo vokatra M'Balik, fa mahasolo sy manampy ny famatsiana herinaratra amin’ny ankapobeny mihitsy. Tsy vitan’ny namoraina ny fahafahana manjifa azy, fa tsotra sy mora ampiasaina ihany koa izy ireo ary efa vonona ao anatin’ny « kit » avokoa ireo kojakoja rehetra ilaina ho amin’izany. Hatreto, araka ny fanazavany, dia ny mponina ambanivohitra no tena besaka mampiasa ny vokatra M'Balik, izay mitaha any amin’ny 60% hatramin’ny 70%-n’ny mpanjifa. Nahitana fitomboana ny isan’izany mpanjifa izany, tao anatin’ny roa volana teo ho eo, noho ny filàn’ny olona amin’ny asa sy fiainany andavanandro. « Ahazoana tombony kokoa ny mampiasa ny vokatra M'Balik, raha mitaha amin’ny fampiasana ireo fitaovana hafa », hoy Ramanantoanina Satanirina.
Amin’izao fiandohan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny SMMEC sy ny M'Balik izao, dia ny eto Antananarivo aloha no hisantarana ny tolotra, fa hiitatra tsikelikely mankany amin’ny Faritra izany, mba samy ho afaka hisitraka ny vokatra M'Balik avokoa ireo mpikambana 5 hetsy mahery manerana ny Nosy.