• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pouvoirs D'Afrique
Image
Vaovao

Fampiroboroboana ny indostria : Hapetraka ireo faritra fampiasam-bola na "zones d'investissement" miisa 5

07/11/2024 14:32 © Moov

Ao anatin’ny asa fampiroboroboana ny indostria dia hapetraka ireo faritra fampiasam-bola na « zones d’investissement » miisa 5.

Izany no tapaka nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra ny alarobia 6 novambra teo. Ity asa ity izay napetraka ho andry iankinan'ny politika ankapoben'ny Fanjakana izay napetraky ny Filohan’ny Repoblika. Anisan’ny vina lehibe ao anatin’izany ny fanatrarana ilay fanamby momba ny hamokarana eto an-toerana ihany izay rehetra ilain'ny vahoaka malagasy.

Miisa 5 izy amin’izao fotoana

Ho fanatanterahana izany fanamby izany dia hapetraka ireo faritra fampiasam-bola na "zones d'investissement". Hatao indrindra izany hamondronana ireo orinasa izay efa misy sy izay mbola vao hijoro. Ao anatin’izany dia hisy fitsipika ara-ketra sy satan’ny faditseranana hifehy azy ireo manokana, raha io fanazavana tamin’ny tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra io. Miisa dimy izy ireo no voafaritra ary nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra amin’izao. Ao anatin’izany ny ao Mangatany Arivonimamo, Taolagnaro, Toliara, Moramanga ary Andrakaka. Lehibe ny tanjon’ny fananganana ity toerana ity. Mikendry ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy amin'ny alalan'ny famoronana asa sy ny fanatsarana ny toe-piainan'ny vahoaka ary ny fanamafisana ny harikarena faobe mantsy izy.

Fiaraha-miasa amin’ny EDBM

Ny tanjon'ireo faritra rehetra ireo dia ny hisarihana mpampiasa vola amin'ny alàlan'ny fadin-tseranana sy ny hetra natokana ho azy. Natao ihany koa hanamorana ny fametrahana ireo orinasa samihafa izany. Araka izany dia ny EDBM na Economic Development Board of Madagascar no miandraikitra ny fampandehanana azy ireo sy hamaritra ireo fepetra arahana. Marihina moa fa natao ho an’ny sehatra rehetra ny fisian’ireo toerana ireo. Ao anatin’izany ny momba ny fambolena sy ny fiompiana, ny fizahan-tany, ny mpanome tolotra isan-karazany sy ny maro hafa. Hipetraka avokoa izany rehetra izany amin’izao fotoana izao raha ny momba ny fambolena no tena betsaka teo aloha. Etsy andaniny moa dia eo anivon’ny EDBM ihany koa no tokony ahitana ny antontam-baovao sy antontan’isa rehetra ilaina raha handraharaha na hampiasa vola eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires