• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Salon de l'Electricité, des Energies Renouvelables et des Hydrocarbures : Mikaroka vahaolana amin'ny fahatapahan-jiro ny mpitsidika

07/11/2024 13:33 © Moov

"Mankaleo ny jiro tapaka lava", " ilainay be amin'ny asa ny jiro", hoy ireo mpitsidika ny Salon de l'Electricité, des Energies Renouvelables et des Hydrocarbures. Izany no antony nahatongavan’izy ireo. Tanterahina etsy amin'ny Kianja Barea Mahamasina ity hetsika ity anio hatramin'ny sabotsy. Tonga maro ny olona nanatrika izany ary anisan'ny antony lehibe indrindra ny fikaroham-bahaolana momba ny fahatapahan-jiro. Miisa eo ho eo amin'ny 30 eo ny mpampiranty mandritra ny hetsika izay ahitana ireo mpamatsy ny momba ny herinaratra sy ny angovo azo havaozina isan-karazany.

Vahaolana maharitra

Mbola tena lehibe ny fanamby amin'ny olan'ny herinaratra eto Madagasikara. Fotoana iray hiarahan'ireo mpisehatra rehetra amin'ny fanolorana vahaolana momba izany ity fotoana ity. Raha ny fantatra dia efa miparitaka eny amin'ny tsena rehetra ny vokatra momba izany vahaolana izany saingy manampy amin'ny fanampim-panazavana ny fandehanana amin'ny hetsika toy izao, hoy ireo mpitsidika. " Efa nitady izay vahaolana foana hatramin'izay mba hamaliana ny filàna amin'ilay jiro. Androany afaka nanontany tsara ny fomba fampiasana sy ny teknika rehetra satria manana eritreritra ny hanao izany ho vahaolana maharitra", hoy i Razafindrakoto Herman , mpitsidika ny hetsika. Raha ny hita teny an-toerana rahateo dia ahitana ireo teknisianina sy manam-pahaizana momba ny herinaratra sy ny angovo azo havaozina isaky ny tranoeva. Mbola manampy izany ihany koa ny fisian'ireo orinasa samihafa efa matihanina ao anatin'io sehatra io. Toy izany ny orinasa Telma izay ahitana ny vokatra Mbalik. " Ireto vokatra ireto izay isan'ny vahaolana amin'ny fahatapahan-jiro noho izy ireo mandeha amin'ny herin'ny masoandro, izay angovo tsy mety ritra ihany koa", raha ny fanazavan'i Randrianjatovonarivo Henintsoa, avy ao amin'ny Telma.

Fihenam-bidy

Angovo avy amin'ny masoandro, avy amin'ny solika sy ireo azo ampiasaina rehetra, samy hita mandritra ity hetsika ity avokoa izany. Raha ny fanamarihan'ireo mpikarakara moa dia anisan'ny tombontsoan'ireo mpitsidika ny fihenam-bidy isan-karazany. " Hatramin'ny 30 ka hatramin'ny 70% ny fihenam-bidy mety ho hita mandritra ity hetsika ity. Natao indrindra izany hanomezana fahafaham-po ny Malagasy miaina anaty olan'ny fahatapahan-jiro sy rano", hoy i Randrianadison Sitraka, Tompon'andraikitra ny Premium Company, mpikarakara. Haharitra telo andro moa ity andiany fahatelo ity izay ahitana ireo zava-baovao rehetra momba ny herinaratra sy ny angovo ary ny akoran'afo.

Lire la suite

Articles Similaires