• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Zo sy fahasalamana ara-pananahana : Manamafy ny fandraisany andraikitra ireo solombavambahoaka

07/11/2024 12:07 © Moov.Mg

Manana anjara asa goavana amin’ny fisitrahan’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka ny zony ara-pananahana ireo solombavambahoaka, amin’ny maha-mpikamban’ny andrim-panjakana mpanao lalàna ny Antenimierampirenena. Manatanteraka atrikasa mifandraika amin’izany, any Toamasina, nanomboka omaly, ireo depiote liana amin’izay lohahevitry ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana (SDSR) izay.

Fanamafisana ny lalàna

Mijoro eto Madagasikara, efa nanomboka tamin’ny taona 2023, ny Tambajotra Nasiônalin’ny Parlemantera ho an’ny Rariny ara-Pananahana (RPNJR). Ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i Moramanga, Rajaobelina Lova Herizo, no Filohan’izany Tambajotra izany. Manohana azy kosa ny Fikambanana tsy miankina IPAS Afrique Francophone. Tanjona nametrahana ny RPNJR ny hanatsarana ny fisitrahan’ny vehivavy, ny tanora, sy ny olon-drehetra amin’ny ankapobeny, ny zo sy fahasalamana ara-pananahana mendrika azy. Manana anjara andraikitra amin’ny fitondrana fanavaozana amin’ny lalàna mifandrika amin’izany ireo parlemantera mivondrona ao anatin’ity tambajotra ity, ary koa amin’ny fanohanana ny fampitomboana ny tetibolam-panjakana, hahafahana miantoka ny fahasalamana ara-pananahana. Isan’ny andraikitra miandry izy ireo, ao anatin’izany, ny fandaniana lalàna vaovao sy fanamafisana ny lalàna efa misy ; ny fanatsarana ny lalàna momba ny ady amin’ny fanilikilihana sy ny ady amin’ny herisetra ; ny fanamafisana ny lalàna miady amin’ny fampanambadiana aloha loatra ny ankizy ary ny vohoka aloha loatra sy tsy niriana ; ny ady amin’ny VIH/SIDA, fa indrindra koa ny zon’ny ankizy sy ny tanora hisitra fanabeazana ara-pananahana feno.

Fanamafisana ny fahaiza-manao

Mandritra ity atrikasa ity, izay nanomboka omaly 6 novambra ary hitohy hatramin’ny rahampitso 8 novambra 2024, no itondrana fampahafantarana ho an’ireo solombavambahoaka vaovao maniry ny hiditra ao anatin’ny tambajotra. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao, ho an'ireo efa mpikambana tranainy. Dinihina ao anatin’ny atrikasa, ireo andraikitra miandry ny solombavambahoaka, ny tetikasan'ny RPNJR, ny olana mbola atrehin’ny firenena manoloana ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana, ary ny fametrahana ny fandaharanasan'ny Tambajotra, ho an’ny fe-potoana 2024-2026. Ny Vaomiera maharitra momba ny Fahasalamana eo anivon'ny Antenimierampirenena no mandrindra ity atrikasa tanterahina any Toamasina ity.

Lire la suite

Articles Similaires