• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rtve
Image
Vaovao

Etazonia : Donald Trump no filoham-pirenena amerikana faha-47

07/11/2024 09:13 © Moov

Hiverina ao amin'ny "Maison Blanche" indray i Donald Trump. "Mandat" faharoa izao ho raisiny izao.

Fandresena miezinezina no nobatain'i Donald Trump, kandidà Repoblikana. Votsotra teo an-tanan'ny Demokraty izany ny fitondrana manerana ireo firenena 50 ao Amerika.

Fandresena efa nampoizina

Maromaro ireo "sondages" efa naminavina fa hiverina amin'i Donald Trump ny safidin'ireo amerikana. Nisy tokoa ny elanelan'isa goavana satria nihoatra lavitra ny 270 ny azon'i Donald Trump. Nahazo ny safidina "Grands électeurs" miisa 295 izy, raha 226 kosa ny delege nifidy an'i Kamala Harris. Raha ny vato narotsak'ireo olompirenena Amerikana indray no resahina dia nahazo vato 72623 882 (50,9%) i Donald Trump ary 67 927 989 (47,6%) i Kamala Harris.
Tsy tambo isaina ireo fiarahabana azon'i Trump manerana izao tontolo izao, na mpitondra firenena, na mpandraharaha na olo-malaza. Ireo tompona orinasa matanjaka toy ny Amazon, Microsoft, Google, Facebook, sns dia samy nandefa teny fiarahabana avokoa.


Copyright Image : © The Associated Press

Fiandrasana ny lahatenin'i Joe Biden

Miandry ny lahatenin'ny filoham-pirenena amperin'asa Joe Biden ireo Amerikana androany alakamisy 7 novambra. Amin'ny 11 ora atoandro (ora any Etazonia) na amin'ny 5 ora hariva (ora ao Frantsa) no fotoanaEfa eo am-pikarakarana ny pitsopitsony ny amin'ny famindram-pahefana sahady ny governemanta. Tsy nanaiky ny vokatra tao Floride i Joe Biden, raha nanaiky tanteraka ny fahareseny i Kamala Harris.
Niarahaba ny filoha vaovao Donald Trump ny filoham-pirenena Xi Jinping no nangataka ny mba hifampiraharahan'ny firenena roa tonta, mba hihatsara ny fifandraisana. Efa niantso an-taribia ny filoha vaovao ny filohan'i Corée Atsimo, Yoon Suk Yeol. Hisy ny fihaonana tsy ho ela eo amin'ireo mpitondra roa ireo.



Lire la suite

Articles Similaires