Vehivavy natao "ligature des trompes" : Mety mbola afaka miteraka ve ?
Tsy vitsy ireo fanontaniana mipetraka mikasika ny mety mbola fahafahana miteraka ho an'ireo nanao "ligature des trompes". Raha mitady zaza indray noho ny antony samihafa, mbola misy azo atao ve ?
Matetika dia misafidy ny "ligature des trompes" ny vehivavy rehefa niteraka roa na telo, indrindra moa raha niatrika "césarienne". Misy nefa ireo miova hevitra rehefa mandeha eny ny volana sy ny taona ka te hiteraka indray. Tsy vitsy ireo manantona dokotera raha mbola misy fitsaboana azo atao.
Fanapahana ny fahafahana manana anaka (impossibilité de reproduction)
Ny "ligature des trompes" dia famatorana ny faritry ny tranonjaza mba tsy hampihaona intsony ny tsirin'aina lahy sy vavy. Izany no mahatonga ny maro mieritreritra fa rehefa vahana ilay fatotra dia miverina amin'ny laoniny ny fahafahana miteraka. Misy ihany koa ireo mpandidy no manapaka mihitsy ny "trompes". Samy manana ny teknikany moa ny mpitsabo tsirairay, fa ny tanjona dia iray ihany : 0% ny mety haha-bevohoka ilay vehivavy. "Contraception définitive" na fanapahana tanteraka ny fahafahana miteraka nefa ny "ligature des trompes". Tsy azo iverenana izy io, ka izany no mahatonga ny mpivady tsy maintsy manasonia taratasy fanekena vao miroso amin'ny fandidiana.
Fitohizan'ny fahafahana miteraka (possibilité de grossesse)
Mbola afaka mandray zaza tsara ny tranon-jaza na dia efa tsy afaka mihaona intsony àry ny tsirin'aina lahy sy vavy. Ny vahaolana tokana azo heverina dia ny Fecondation In Vitro (FIV). Ireo manam-pahaizana no mampiomana ny vatan'ilay vehivavy handray ny vohoka sady manambatra ny tsirin'aina lahy sy vavy. Mila vola be nefa ny manao io karazana fitsaboana io na eto Madagasikara na any ivelany. Tsy voatery hahomby avy hatrany ihany koa izany, ka mety mila manao andrana maromaro.
Maro ireo mpitsabo no tsy mamporisika ny mpivady hiroso amin'ny "ligature des trompes". Lakalaka mantsy ny fiainana ka tsy fantatra ny ampitso. Tsy latsaky ny 5 ny fomba fandrindram-piterahana azo isafidianana tsara mba tsy haha-bevohoka. Azo ajanona izany avy eo rehefa te hiteraka indray. Tranga matetika hita mantsy ny hoe te hiteraka indray ny mpivady rehefa miha-lehibe ireo zanany, na dia efa maromaro aza ny ao an-trano.