Etazonia - Madagasikara : Mitohy ny fiarahamiasa na i Trump na i Harris no lany filoha Amerikana
Nikarakara "Election Watch Party" ny masoivoho amerikana eto Madagasikara. Kolontsaina amerikana ny mifamory na mpihavana na mpiara-miasa, eo am-piandrasana ny valim-pifidianana.
Manaraka akaiky ny fivoaran'ny voka-pifidianana filoham-pirenena ao Etazonia ny eto Madagasikara.Teny amin'ny La Plantation Ivandry no ambohipihaonan'ny avy ao amin'ny ambasady amerikana eto Madagasikara, ireo amerikana monina eto Madagasikara ary ireo olo-manan-kaja maro eto amin'ny firenena. Niara-namantatra ny fironam-bokatra vonjimaika ny rehetra. Tamin'izany indrindra no nanasongadinan'ny ambasadaoron'i Etazonia miasa sy monina eto Madagasikara, Claire Pierangelo, fa nanaporofo indray ny maha-ohatry ny demokrasia manerantany azy ny firenena Amerikana omaly. Tontosa an-tsakany sy an-davany ny fifidianana, ary ao anatin'ny filaminana tanteraka no iandrasan'ny besinimaro ny anaran'izay ho filoham-pirenena faha-47 ao Etazonia.
Fitohizan'ny fiaraha-miasa
Na i Donald Trump na i Kamala Harris no ho lany filoham-pirenena Amerikana, tsy hampiova ny fifandraisan'i Etazonia sy Madagasikara izany. Nanome toky ny ambasadaoron'i Etazonia miasa sy monina eto Madagasikara, Claire Pierangelo, fa mivoatra ary mbola hivoatra hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta. Tsy hisy fifanarahana ara-barotra na amin'ny sehatra hafa izay hiova tampoka na ho tapaka. Tsy adino ny fanohanana ny fampianarana, ny fambolena, ny fahasalamana sy ny maro hafa. Mbola hisitraka tombontsoa maro avy amin'i Etazonia izany ny firenena Malagasy.
Etazonia, modely manerantany
Manome lanja ny olom-pirenena tsirairay ny Amerikana : izany no atao hoe demokrasia. Na dia ny vaton'ireo "grands électeurs" aza no mamaritra ny voka-pifidianana, tena ny feon'ny vahoaka no henoin'ireo delege ireo. Tsy voavidy vola ireo mpifidy lehibe ireo, ka izany no antoka tsy hisian'ny korontana na dia marobe aza ireo firenena ao Etazonia. Resy lahatra i Etazonia fa tokony mijanona eo an-tanan'ny vahoaka ny fahefana. Manaja ireo tamberin'andraikitra ireo mpitondra, ary antoka mampandroso ny ekonomia sy ny sosialy izany.