• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Usnews
Image
Vaovao

05 novambra 2024 : Fifidianana ny filoham-pirenena faha-47 any Etazonia

05/11/2024 06:25 © Moov

Androany talata 05 novambra no daty ofisialy amin'ny fifidianana ny filoham-pirenena faha-47 amin'ireo firenena miisa 50 any Etazonia. Famaranana nefa androany satria efa marobe ireo nahavita nifidy.

Hatramin'ny omaly 4 novambra, maherin'ny 77 tapitrisa ny amerikana efa nahavita nifidy, araka ny tatitry ny BFM TV. Nandray anjara tamin'ny "élection anticipée" sy ny "vote par correspondance" izy ireo. Matetika dia manao ireo fandaminana mialoha ireo ny firenena tsirairay mba hisorohana ny filaharam-be sy hanomezana fotoana malalaka hanatanteraka ny adidiny.

"Grands électeurs"

Azo lazaina hoe "fombafomba" ihany ny fandatsaham-baton'ny olom-pirenena any Etazonia. Ampahatsiahivina fa tsy ny voka-pifidianan'ny besinimaro no mamaritra izay ho mpandresy, fa ny safidin'ireo "grands électeurs" isaky ny firenena. Ireo delege ireo izany no mamaritra na manohana ny "manga" na ny "mena" ny firenena misy azy. Amin'ny ankapobeny dia fantapantatra mialoha ny safidin'ny firenena maro an'isa. Ireo "swing states" toa an'i Pennsylvanie sy Michigan kosa no herin'ny valim-pifidianana, satria mbola tsy fantatra mazava ny safidin'izy ireo. Omaly 4 novambra dia nanentana manokana ireo mpifidy ao Pennsylvanie ny kandida Kamala Harris.

Donald Trump vs Kamala Harris

Mbola miady ny lalao hatreto amin'ireo kandida roa. Samy manana ny Hanitra ho azy izy ireo, ary na tamin'ny fotoana farany aza dia niezaka nandresy lahatra ny mpifidy azy ireo.
Ireto àry misy tranga vitsivitsy izay nangonin'ny BFM TV :
-Nanambara ampahibemaso ny fanohanany an'i Kamala Harris ilay mpihira malaza Katy Perry, omaly 4 novambra, tany Pittsburgh ;
-Nampiseho ny heviny ny amin'ny fanohanana an'i Donald Trump ilay mpanentana Poddcast malaza Joe Rogan ;
-Nanao ranty tamin'ny tambazotra X i Donald Trump fa azo antoka ny hisian'ny ady lehibe fahatelo raha i Kamala Harris no hitondra an'i Etazonia. Mety hanjakazaka any Moyen-Orient sy hamono Silamo maro hono mantsy ny fitondrany ;
-Tsy manana fandaharam-potoana manokana ny filoham-pirenena amperin'asa Joe Biden. Tokony ao amin'ny Maison Blanche ny tenany androany 5 novambra. Efa nifidy tany Delaware izy.

Raha ny vinavinan'ny "Decision Desk HQ", anisan'ireo mpamoaka voka-pifidianana hatramin'ny taona 2012, 53% ny tahan'ny fanantenana amin'ny mety hibatan'i Donald Trump ny fandresena, raha 47% kosa ny an'i Kamala Harris. Mety hiova tanteraka nefa izany, arakaraka ny safidin'ireo "Swing States". Raha ny vokatra omen'ny "FiveThirtyEight", mpanao irony "sondage" irony, dia 47,9 % ny fikasana hifidy na "intentions de vote" ho an'i Kamala Harris, ary 47% ho an'i Donald Trump.


Copyright Image : © France24

Lire la suite

Articles Similaires