Sabotsy Namehana : Lehilahy iray mpamono vady nidoboka am-ponja
Mora kokoa ny mizara ireo tranga mampalahelo eny amin'ny fiarahamonina noho ny fisain'ny tambazotran-tserasera. Lehilahy iray mpanenjan-tsandry amin'ny vadiny no misazy eny amin'ny toeram-panarenana.
Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Ambohidrabiby Sabotsy Namehana ny raim-pianakaviana iray nidaroka sy namono ny vadiny ny faran'ny volana oktobra teo.
Niparitaka tamin’ny tambanjotran-tserasera ny filazana sy fitarainana nataona vehivavy iray. Ny vono nataon’ny lehilahy iray tamin'ny vadiny moa no votoanton'ny ranty, ka sady nisy soratra no nisy sary maromaro. Tsy vitan'izany ihany fa nitaraina tamin’ny fikambanana "Association Fitia" ny renin'ilay ramatoa niharam-bono . Tamin'izany no nahafantarana fa ny 18 Oktobra lasa teo no nifamaly izy mivady ka niharan’ny vono sy daroka ilay ramatoa. Manaporofo izany ny fahamanganan'ny faritra maro tamin’ny vatany. Nampanantsoina ilay lehilahy sy ny reniny ny 31 oktobra lasa teo. Io reniny io mantsy no voalaza fa tao an-trano nisy azy mivady nandritra ny fifamalian’izy ireo. Samy nandrahona ilay vehivavy ihany koa izy mianaka fa "mahafantatra olona ambony maro ao amin'ny Tribonaly sady tsy matahotra na iza na iza".
Fanadihadihana
Nisy ny fizahana ara-pahasalamana natao tamin'ilay niharam-boina. Nanatanteraka fanadihadihana ihany koa ny mpitandro ny filaminana. Niaiky ilay lehilahy fa nidaroka sy namono ny vadiny. Tsy vao voalohany izany fa efa fanaony. Misy ny fery vao sy ratra efa ela tokoa tamin'ny vatan'ilay ramatoa. Naiditra am-ponja vonjimaika eny am-ponja androany 4 novambra ilay lehilahy, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny reniny. Vita soratra ara-dalàna izy mivady, ary manan-janaka mianadahy.
Ampahatsiahivin'ny lalàna fa tsy misy antony anomezana rariny ny fampiharana herisetra ao an-tokatrano (violence conjugale). Azo melohina ihany koa ireo mahafantatra na nanatri-maso ny trangana herisetra nefa tsy niaro ilay niharam-boina na nitoroka (non-assistance à une personne en danger). Mbola azo anampiana ny vesatry ny fitoriana ihany koa ny fandrahonana na fampitahorana olona tsy hitaraina any amin'ny tompon'andraikitra mahefa (menace visant à empêcher une personne de porter plainte).
Fitorohana
"Ny tokantrano fihafihana", hoy isika Malagasy. Marobe ireo miharitra ny tsy zakan'ny aina noho ny fiarovam-boninahitra : mahamenatra ny fiarahamonina sy ny fianakaviana tokoa izany ilaozam-bady na misara-panambadiana. Etsy ankilany ny filàna ara-bola izay ifampiankinan'ny mpivady. Tsy tokony atao antony hileferana manoloana ny herisetra nefa izany. Na lahy na vavy, tsy mendrika hizaka fikasihan-tanana mihitsy : ny vava sy ny hevitra no miady fa tsy ny olona. Izany indrindra no amporisihana ireo hiharan'ny herisetra mba ho sahy hitoroka. Mazava ho azy, tsy maintsy mandray ny valin'asany ny nanao ratsy, saingy heverina ho anatra sy fanitsiana ny diany izany. Rehefa tsy voavahan'ny fifampiresahana intsony ny olana dia azo atao tsara ny manantona ny manampahefana. Raha miharitra foana eny mantsy dia mety hiafara amin'ny aretim-po, ny aretin-tsaina, ny takaitra mandra-maty sy ny fahafatesana mihitsy aza.
Amin'izao vanim-potoan'ny fivoarana izao, natao hisambarana ny fanambadiana fa tsy hiaretana ny tsy rariny. Heverina fa mbola misy ezaka goavana tokony atao ny amin'ny fanitsiana ny kolontsaina sy ny toe-tsaina. Eo ihany koa ny fandresena lahatra ireo iharan'ny herisetra mba hitoroka. Tsy azo lavina fa mila tan-tsoroka ireo reny na raim-pianakaviana raha mitory ny andefimandriny ka higadra eny am-ponja manefa sazy ity farany. Matetika dia tsy mifamerina intsony ireo mpivady rehefa lasa lavitra ny raharaha.