Homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza : Mety ho vita eny amin’ny CSB II ny fitsaboana
Tsy sarotra ny mitsabo ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, raha toa ka hita mialoha izany. Eny amin’ireny tobim-pahasalamana fototra (CSB) ireny ihany dia mety efa ho sitrana, raha mbola tsy lasa lavitra ny aretina.
Mihamiroso amin’ny fitiliana
Raha ny antontan’isa tany amin’ny taona 2018, dia tombanana ho ny 7% amin’ireo vehivavy nanao fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza no nahitana soritr’aretina, saingy efa nitombo io antontan’isa io ary miovaova isaky ny Faritra manerana an’i Madagasikara, araka ny fanazavan-dRavelojaona Mbolamasoandro, mpampiofana momba ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Etsy an-daniny anefa, mahavelombolo fa efa mihaliana amin’ny fadraisana an-tanana ny fahasalamany ara-pananahana ny vehivavy ary mihamitombo ireo izay liana amin’ny fanaovana fitiliana, hoy hatrany ity tomponandraikitra ity.
Tena ilaina io fanovana fitiliana io ary isan’ny antom-pisian’ny hetsika « Ôktôbra Mavokely », iray volana natokana hitiliana ny hoamiadan’ny nono sy ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, fanao isan-taona. Nandray anjara tamin’izany ny Fanjakana malagasy, niarahana nanatanteraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, toy ny Marie Stopes Madagascar (MSM), ny Fondation Akbaraly sy ny fikambanana Fianakaviana Sambatra (FISA).
Azo tsaboina tsara
Tsy anavahana sokajin-taona ny fahazoana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, araka ny nambaran-dRavelojaona Mbolamasoandro, fa ny vehivavy rehetra izay efa niroso tamin’ny firaisana ara-nofo dia efa ahiana hitondra ny « papillomavirus humains » (HPV) daholo, izay virosy miteraka ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza. Mifindra amin’ny alalan’ny firaisana mantsy izy io. Ny fitiliana ihany no ahitana azy, fa tsy hita soritra ety ivelany izy ary misoko mangina. Efa tara izay, matoa misy fambara, hoy hatrany ny fanazavany. Azo tsaboina ihany koa anefa ity aretina ity. Eny amin’ny CSB II, toa ny ao Ambalavato, dia efa ahitana ny fitaovana antsoina hoe : « cryothérapie », izay mety hahasitrana, raha vao mampiasa azy indray mandeha monja. Ahitana fitaovana fanaovana « cryothérapie » sy « ablation thermique » ihany koa eny anivon’ny Marie Stopes. Ny hôpitaly lehibe kosa no mandray an-tanana ny aretina efa mihasarotra.
Momba ny fitiliana indray, iray minitra monja dia efa fantatra ny valiny, na salama tsara ilay vehivavy na ahitana soritr’aretina. Vao miroso amin’ny firaisana ara-nofo ny vehivavy dia efa tokony hanao fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, hoy ny fanentanan-dRavelojaona Mbolamasoandro.