• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Distrikan’Antsirabe I : Mavitrika mampiasa fanabeazana aizana ny vehivavy sy ny lehilahy

04/11/2024 16:49 © Moov.Mg

Distrika isan’ny mavitrika indrindra amin’ny fampiasana fomba fanabeazana aizana Antsirabe I, Faritra Vakinankaratra. Samy manatona tobim-pahasalamana fototra, hisitraka izany tolotra fanabeazana aizana izany avokoa, na ny lehilahy, na ny vehivavy.

Misy tsy ampy taona

Olona 80 hatramin’ny 100 isan’ndro no tonga manatona ny CSB II Ambalavato, mba hisitraka tolotra fanabeazana aizana, araka ny fanazavan-dRasazy Rahanitranomirana Vatosoa Nomenjanahary, tomponandraikitra momba izany fanabeazana aizana izany ao an-toerana. Ny ampahatelon’ireo no mbola tsy ampy taona, mpianatry amin’ny lisea sy amin’ny ambaratonga faharoa. Misy aza, ny renim-pianakaviana mihitsy no miaraka amin’ny zanany, manatona ity tobim-pitsaboana fototra ity. 14 taona no zandriny indrindra amin’ireo tovovavy mpampiasa fanabeazana aizana ao amin’ity CSB II ity, araka ny fanazavan-dRasazy.
Tena ilaina ny fampiasana fomba fandrindram-piterahana maoderina, hisorohana ny vohoka aloha loatra sy tsy iriana. Raha ny ao amin’ity tobim-pahasalamana ity fotsiny mantsy, dia maherin’ny 80 isa isan-taona ireo zatovovavy latsaky ny 18 taona tonga miteraka ao aminy, na dia eo aza izay fahabetsahan’ny olona mampiasa fomba fanabeazana aizana izay.

Betsaka no misafidy ny tsindrona

Eo amin’ny lehilahy indray, dia misy iray isan’andro fara-fahakeliny, no tonga maka kapaoty ao amin’ny CSB II Ambalavato, hoy hatrany ny fanazavana. Araka ny fantatra moa dia any amin’ny Distrikan’Antsirabe ihany koa no ambony indrindra, manerana an’i Madagasikara, ny tahan’ny lehilahy miroso amin’ny fanaovana « vaséctomie ». Alefan’ny tobim-pahasalamana fototra eny anivon’ny Marie Stopes ireo maniry ny hisitraka izany. Tahaka izany koa ireo vehivavy te hanao « ligature ». Araka ny nambaran-dRasazy Rahanitranomirana Vatosoa Nomenjanahary, dia ny tsindrona no fomba fanabeazana aizana tena tian’ny vehivavy eo anivon’ny CSB II Ambalavato, ary manaraka azy ny sisika amin’ny sandry (implant).

Lire la suite

Articles Similaires