• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Une Cuillère Pour Doudou
Image
Reny&Zaza

Zaza sy ny tontolony : fantaro ny momba ny « spasme du sanglot »

04/11/2024 15:11 © Moov.Mg

Tranga mety miseho ary tena mampitaintaina ny ray aman-dreny tokoa ny zaza manao « spasme du sanglot ». Rehefa avy mitombany be iny ilay zaza no manao ity karazana « crise » ka ao anatin’izay izy mety tsy hiaina vetivety na ho safotra kely. Fa inona tokoa ary ny « spasme du sanglot » ?

Inona no atao hoe « spasme du sanglot » ?

Ny « spasme du sanglot » dia tranga fahita eo amin’ny zazakely. Anisan'ny trangan'aretina mampitaintaina ny ray aman-dreny tokoa izany. Amin’ny ankapobeny dia mitranga izy io rehefa avy mitomany be noho ny hatezerana, fahatairana, fanaintainana na tahotra ilay zaza. Rehefa izy ilay ankonankona sy mihikiaka mitomany be iny dia toa mijanona tsy miaina tampoka izy, lasa mivaramena be na hatsatra ny tarehiny, ary mety ho safotra kely ihany koa.

Inona no antony mahatonga ny zaza hanao « spasme du sanglot » ?

Ny « spasme du sanglot » dia « réaction » tsy fanahy iniana ary mandalo ataon’ny atidohan’ny zaza manoloana ny fihetseham-po mafy aminy. Rehefa mahatsiaro heniky ny hatezerana, tahotra, hatairana na fainaintainana be ao amin’ny atidoha dia lasa tsy voafehiny ny fibaikoana ny « respiration » ka izay no mahatonga ilay zaza tsy miaina kely mandritra ny segondra vitsy. Tsy dia misy tokony atahorana ny « spasme du sanglot » satria miverina miaina sy mifoha anatin’ny 1 minitra ihany ilay zaza. Ny zaza eo amin’ny 6 volana hatramin’ny 4 taona moa no mety manao azy io. Afaka ho azy izany rehefa miha-lehibe ilay zaza.

Inona no tokony atao manoloana ny zaza manao « spasme du sanglot » ?

Raha manao « spasme du sanglot » ny zaza dia ireto ny fihetsika tokony ataon’ny ray aman-dreny na izay olona mitaiza azy eo :
-Mitony tsara satria efa mahatsapa fihetseham-po be ilay zaza ka manampy azy ho tony haingana kokoa izany ;
-Afindra amin’ny toerana tsy atahorana handratra azy izy, ohatra hoe lavitry ny tohatra na fanaka mety hahavoadoana azy… ;
-Andrasana hijanona ilay « crise » ;
-Tambatambazana izy rehefa misinda ilay « crise ».

Rehefa inona no tokony hanahy manoloana ny zaza manao « spasme du sanglot » ?

Amin’ny ankapobeny dia tsy ilaina entina mandeha mpitsabo ny zaza manao « spasme du sanglot ». Mila manantona « pédiatre » kosa nefa raha toa ka :
-Miverimberina ary mafy be ireo « spasmes du sanglot » ;
-Misy soritr’aretina hafa mampanahy miseho amin’ilay zaza, toy ny fanaviana, sempotsempotra… ;
-Elaela vao mijanona ilay « crise ».

Lire la suite

Articles Similaires