• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fampiofanana : Mankalaza ny faha-5 taonany ny Softwell Formation

01/11/2024 04:31 © Moov

Tontosa ny takarivan'ny zoma 31 oktobra ny fanamarihana tamin'ny fomba ofisialy ny faha-5 taonan'ny Softwell Formation. Misehatra amin'ny fampiofanana ireo mpiasa amin'ny orinasa tsy miankina sy amina ONG moa io orinasa io.

Miara-miasa amina orinasa maro ny Softwell Formation. Ny tanjona amin'izany dia ny fampitomboana ny traikefan'ireo mpiasa, arakaraka ny andrasan'ny orinasa tsirairay. Tsy voatery hanana ny traikefa sy ny fahaiza-manao takian'ny mpampiasa mantsy ny mpiasa tsirairay na misy aza ny sivana mandritra ny "recrutement". Misy ihany koa ireo zava-baovao mila ianarana, mba hampivoarana ny orinasa sy ampakarana ny lentan'ny fahalalan'ny mpiasa tsirairay. Tsy ireo mpiasa ihany nefa no mety mila fampiofanana fa ao ihany koa ireo tompon'andraikitra ambony sy ny mpampiasa izay mila manamafy fahaiza-manao na te handranto fahalalana vaovao. Izany indrindra no hanoloran'ny Softwell Formation tolotra maro, izay izaran'ireo matihanina fahalalana sarobidy.

Maro ireo taranja azo isafidianana, ka anisan'izany ohatra ny 'communication d'entreprise", "managment et leadership", ny "administration", ny "vente et marketing", ny "langues étrangères", sns.


Copyright Image : © Moov

Orinasa mivoatra hatrany

Na dia heverina fa fohy ihany aza ny 5 taona, maro ny dingana nolalovana sy ny asa vitan'ny Softwell Formation. Miisa 2 155 be izao ireo mpiasa isan-tsokajiny efa nisitraka fiofanana tamin'ny alalan'ireo mpampiofana matihanina. Tamin'ny taona 2019 no nitsiry ny hevitr'ireto mpandraharaha roavavy, Mbolatiana Andriamanantsoa sy Elisoa Rabemanolontsoa, ny amin'ny hananganana ny orinasa. Tsikaritr'izy ireo tamin'ny asany andavan'andro mantsy fa misy elanelana goavana eo amin'ny zavatra andrasan'ny orinasa sy ny lenta azon'ireo tanora vao nahazo diplaoma atolotra. Niainga tamin'ny fanofanana ireo tanora hiditra amin'ny sehatry ny asa izany ny Softwell Formation. Na dia nisy aza ny valan'aretina COVID tamin'ny taona 2020, tsy nampihemotra izany. Nisy ny "formation à distance" nentina nanomezana fahafahampo hatrany ireo nila fampiofanana. Nanomboka ny taona 2021 ny Softwell Formation no nifantoka tamin'ny fanofanana ireo efa amperin'asa.
Lanonam-pifaliana no notontosaina, ka nisy ny fankasitrahana ireo orinasa efa nametraka ny fitokisany tamin'ny Softwell Formation. Anisan'izany ny Star Madagascar, ny Groupe Viseo, ny Groupe Basan, ny Acep Madagascar ary ny Numen Madagascar. Mbola hiroso hatrany amin'ny fanomezana fahafaham-po ireo orinasa te hampivoatra ny mpiasa ao aminy hatrany ny Softwell Formation, mandritra any 5 taona manaraka.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires