• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Anr
Image
Vaovao

Vahaolan'ny Délestage eto Antananarivo sy ny manodidina : Hisy "groupe" matanjaka ampiasaina avy hatrany

30/10/2024 11:54 © Moov

Nanome baiko ny amin'ny hampihenana ny Déléstage eto Antananarivo sy ny manodidina ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nisy ny fidinana ifotony notanterahiny, teny amin'ny foiben'ny Jirama Ambohimanambola, androany 30 oktobra.

Mampitaraina ny maro ny fahatapahan-jiro lavareny eto Antananarivo sy ny manodidina, herinandro maromaro izay. Samy voa avokoa na ny olon-tsotra, na ireo mpiasatena, na ireo orinasa. Maro ireo tanàna efa nahitana fitokonana noho ny fitakiana ny fiverenan-jiro. Misy ireo olona mitaraina fa zara raha mandeha adiny roa isan'andro ny jiro. Izany indrindra no nahatongavan'ny filoham-pirenena teny Ambohimanambola.

Fifanakalozan-kevitra

30 miliara ariary isan-taona no alohan'ny fitondram-panjakana amin'ny Jirama. Tafiditra ao anatin'izany ny solika izay ampandehanana ireo "groupes" tokony ampiasain'io orinasa io. Tsy nihena mihitsy ny fanohanana ny Jirama, nefa mahagaga izao fahatapahan-jiro tsy mahazatra izao, na dia ao anatin'ny fotoan'ny haintany aza isika, hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nanome ohatra ny amin'ny fahatapahan-jiro nandritra ny tontolo andro teny Ivandry, birao fiasany, moa ny filoham-pirenena. Eo ihany koa ny "jeux de lumières", izany hoe miverina dia tapaka, ary miverina indray dia tapaka, ka manimba fitaovana maro sady ahiana hitera-doza. Nangataka fanazavana ny tenany araka izany.
Tsara ny manamarika fa rehefa hain-tany toy izao dia mihena ho 50 MW ny herinaratra azo avy amin'Andekaleka, raha tokony ho 120 MW izany.

Famahana olana

Vahaolana ampiharina avy hatrany no nentin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Hisy "Groupe" lehibe miisa roa ho ampiasaina manomboka izao, mba hampitomboana ny famatsiana herinaratra. Ho ampiasaina adiny dimy isan'andro ireo fitaovana ireo, ary handaniana 300 tapitrisa ariary isan'andro amin'ny solika, izany hoe 9 lavitrisa ariary isam-bolana. Hisy ihany koa ny fandatsahana orana artifisialy, mba hampitombo ny tosiky ny rano hahazoana herinaratra. Ny tena tanjona dia ny hanomezana herinaratra mandritra ny 15 ora isan'andro raha kely indrindra, izany hoe amin'ny 6 ora maraina hatramin'ny 10 ora alina.
Tsara ihany koa ny mampahafantatra fa ny teti-bolan'ny Fanjakana amin'ny taona 2025 dia hifantoka amin'ny fampiasana vola mba hampandroso ny Jirama. Tafiditra ao anatin'izany ohatra ny fananganana ny "Parc Solaire Flottant" lehibe indrindra eto Afrika, eny Ivato. Hahafahana misitraka herinaratra hatramin'ny 250 MW izany, ka hahazo tombony na ny eto Antananarivo na ny any amin'ny faritra hafa. Afaka herintaona raha ela indrindra dia ho tanteraka izany.

Fiaraha-miasa

Namporisika ny amin'ny fampitomboana ny fanaraha-maso isan-karazany eo anivon'ny Jirama ny filoham-pirenena. Ilaina ohatra ny randrefesana ny solika arotsaka sy lany isaky ny "groupe". Nampitandrina ireo mpanao "branchements illicites" ihany koa ny tenany, satria anisan'ny miteraka fatiantoka ho an'ny Jirama izany.

Lire la suite

Articles Similaires