« Dépression post-partum » : torohevitra manampy hisorohana izany
Tranga mety mahazo ny vehivavy tera-bao ny « dépression post-partum ». Mety mahavoa ny ny lehilahy aorian’ny fiterahan’ny vadiny ihany koa moa izany. Mampijaly sy manahirana tokoa ny miaina izany ka mety ho tonga amin’ny famoizam-po raha tsy voaray an-tanana. Fa inona tokoa ary ny « dépression post-partum ? Inona no fomba atao mba hisorohana izany ?
Inona no atao hoe « dépression post-partum » ?
Ny « dépression post-partum » dia karazana fahaketrahana miseho aorian’ny fahaterahan’ny zaza. Ny vehivavy terabao no tena voakasik’izany, nefa koa misy ihany ireo raim-pianakaviana tratr’izany. Samihafa amin’ny « baby blues », izay fahatsapàna fiovaovàna fihetseham-po eo amin'ny terabao, moa izy ity. Ny « baby blues » dia maharitra eo amin’ny tapa-bolana eo ihany fa ny « dépression post-partum » kosa dia mafy kokoa ary mety maharitra ela, indrindra raha tsy voatsabo aloha. Mety miseho amin’ny fotoana tsy voafaritra ao anatin’ny taona voalohany naterahan’ny zaza moa ity fikorontanan’ny saina aorian’ny fiterahana ity.
Ahoana ny fisehon’ny « dépression post-partum » ?
Miankina amin’ny karazany sy ny hamafin’ny soritr’aretina ny fahasarotan’ny « dépression post-partum ». Anisan’ireo fambara mateti-pitranga eo amin’ireo reny tratr’ity karazana fahaketrahana ity ny :
-Fahatsapana alahelo lalina tsy misy antony mazava ;
-Fitomaniana matetika tsy misy antony ;
-Harerahana lava ka lasa tsy mahavita mikarakara tena, na hisasa aza ;
-Te hatory lava na tsy mety mahita tory ;
-Fanameloan-tana sy tsy fahatokisan-tena (mahatsiaro tsy mahay mitaiza na mitia ilay zaza vao teraka) ;
-Kizitin-dava ;
-Tebiteby lalina, indrindra mikasika ny fikolokoloana ny zaza ;
-Tsy fahavitana mikarakara tsara na fandavana ny hikarakara ilay zaza ;
-Fikarakarana ilay zaza fa tsy mahazo fahafinaretana amin’izany ;
-Tsy fahazoana fahafinaretana amin’ireo zavatra tiana taloha ;
-Fiovan’ny fahazotoana homana (misakafo be loatra na malain-komana) ;
-Lasa mitokatokana ;
-Tsy fahitana maminy amin’ny fiainana ka lasa mamoy fo sy te hamono-tena.
Ahoana no atao hisorohana ny « dépression post-partum » ?
Mba hisorohana ny « dépression post-partum » dia ireto manaraka ireto ny torohevitra manampy tsara ampiharina :
Maka fotoana hakana aina
Tsy azo atao tsirambina ny fakàna aina, na ny reny na ny ray mitaiza kely. Ho an’ny reny manokana dia mila miezaka matory rehefa matory ny zaza, eny na misy raharaha tsy vita aza. Ilaina ny manenjika ny torimaso tsy ampy mba hikolokoloana ny fahasalamana, indrindra ny fahatonian’ny saina.
Mivoaka maka rivotra sy manao izay mahafinaritra
Raha misy olona afaka mitazona ny zaza dia mandeha mivoaka kely maka rivotra na adiny 1 ora fotsiny aza. Manampy betsaka amin’ny fampitoniana ny saina ny fahafahana miala kely ny rotoroto ateraky ny fitaizana. Tsy voatery maka rivotra fa afaka manao izay zavatra mahafinaritra ny saina mandritra io fotoana io.
Mangataka fanampiana
Isan’ny antony iray mahatonga ny « dépression post-partum » ny harerahana be loatra noho ny fitaizana. Miangona ny tsy fahampiana torimaso amin’ny alina, ny fanenjehana ny raharaha, ny fikarakarana ny zaza… ka lasa tsy araky ny aina sy ny saina intsony. Mba hisorohana izany dia mila mangataka fanampiana, na amin’ny vady, ray aman-dreny, iray tampoho, namana akaiky… amin’ny fikarakarana ny zaza ohatra. Raha manana enti-manana dia tsara raha maka mpanampy.
Miresaka
Manampy betsaka amin’ny fisorohana ny « dépression post-partum » ny firesahana amin’ny olona akaiky ny zavatra manavesatra ny ao-tsaina sy ny ao am-po. Olona mahatoky sy tsy mitsaratsara ivelany no hiresahana. Raha tsy mahita olona resahana dia afaka manantona « psychologue » mba hizarana ny zavatra mampijaly ny saina.