• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Archive Medd
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Potika noho ny voly katsaka ny valanjavaboahary ao amin’ny faritra Menabe sy Diana

28/10/2024 15:18 © Moov

Efa taona maro izay no nisian’izany mpifindra monina mitrandraka antsokosoko any anaty valanjavaboahary ao amin’ny faritra Menabe izany. Amin’izao fotoana izao dia maromaro ireo valanjavaboahary miverina simba indray noho io fambolena katsaka antsokosoko io. Tonga hatrany Diana anefa ireo mpifindra monina ireo ary mitovy ihany ny fomba fitrandrahan’izy ireo ny any anaty faritra arovana any.

Tsy mety mipetraka an-tanàna

Efa nandritra ny fotoana ela ihany koa no nanentanana ny fialàn’ireo mpifindra monina ireo ao anatin’ny faritra arovana saingy hatramin’izao dia mbola ao hatrany izy. Efa nomena alalana hipetraka an-tanàna mantsy izy ireo. Araka izany dia voatery nandray andraikitra ny mpitandro filaminana nanery azy ireo tamin’izany. Nandritra izany indrindra no nahitana ny fahasimbana tao amin’ny faritra arovana ao Befasy izay hita ao atsimon’ny Distrikan’ny Morondava. Ankoatra izay dia manimba ny faritra arovana ireo ihany koa ny doro tanety hahafahan’izy ireo mamboly. Toy izany ireo faritra arovana ao amin’ny Distrikan’ny Tsiribihina toa an’ny Kirindy, Beromboka ary Tsimafana. Ankoatra ny fahasimbana eo amin’ireo valanjavaboahary ireo dia miha-tototra ihany koa ny reniranon’ny Belo Tsiribihina noho ny antsanga sy ny fasika avy amin’ny fahasimban’ny nofon-tany avy aty ambony. Vokatr’izany, miantraika amin’ny fiharian’ny mponina maro io fambolena katsaka antsokosoko io amin’izao fotoana izao. Mipetraka araka izany ny hamehana ny amin’ny fanesorana azy ireo ao anatin’ireny toerana ireny.

Tambazotra mpividy katsaka

Amin’ny ankapobeny dia mpiavy avy ao amin’ny Foko Mahafaly sy Antandroy no tena betsaka amin’ireto mpifindra monina ireto. Araka izany, tsy maintsy mitady izay hivelomany izy ireo ka anton’izao fambolena izao. Raha ny fanazavana ihany koa dia efa misy tambazotra lehibe ihany koa mitady ireo katsaka ka izay no mandrisika azy ireo hanao izany asa ratsy izany. Etsy andaniny dia tsy mijanona ao Menabe irery ny olana fa tonga hatrany amin’ny faritra Diana ireo mpiavy. Ny ala honko indray kosa no havadik’izy ireo ho harina fandrehitra. Mitovy amin’ny fomba fanapotehana ala amin’ny faritra rehetra ihany no hataon’izy ireo ao anatin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires