• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Andao Company
Image
Vaovao

EPP Fitroafana : Nahazo dabilio ekolojika 100%

28/10/2024 08:13 © Moov

Maherin'ny 2 tapitrisa ny dabilio ilaina amin'ireo sekoly ambaratonga fototra manerana ny Nosy. Izany indrindra no andraisan'ny orinasa Andao Company anjara amin'ny fanamboarana dabilio amin'ny alalan'ny plastika.

Fako plastika 948 kilao nahazoana dabilio miisa 30

Dabilio miisa 30 no natolotry ny orinasa E-toile ny EPP Fitroafana Talatamaty ny sabotsy 26 oktobra lasa teo. Tafiditra ao anatin'ireo hetsika RSE izany, mba ho fandraisana anjara amin'ny fanohanana ara-tsosialy ny mpiara-belona. Mba ho fiarovana ny tontolo iainana, dabilio ekolojika 100% no natolotra. Ny "Andao Company" no nanatontosa ny fanodinana fako ho lasa fitaovan-tsekoly maharitra.
Raha atao ny kajy tsotsotra dia 28 kilao eo ho eo no lany tamin'ny dabilio iray. 948 kilao ny plastika nampiasain'ny Andao Company nanaovana ny dabilio miisa 30.

Fiarovana ny tontolo iainana

Nisy ny fanentanana ireo mpianatra ka izy ireo ihany no nanolotra ny plastika nilaina tamin'ny fanamboarana ireo dabilio ireo. Nanohana ihany koa ireo ray aman-drenin'ireo mpianatra. Nentin'ireo ankizy tany an-tsekoly ny karazana plastika madio : tavoahangy, vakina koveta, kilalao simba, sns. Araka ny nambaran'ny talen'ny sekoly, Ranjakavelo Léa, tena mazoto tokoa ireo mpianatra mitondra plastika. Eo ho eo amin'ny 20 ka hatramin'ny 50 kilao isan'andro ny fako plastika nentin'ireo ankizy.
Lesona goavana ho an'ireo ankizy sahady izao tetik'asa izao. Na ireo ankizikely any amin'ny "Préscolaire" aza dia mahafantatra fa tsy tokony hariana eny rehetra eny ny fako plastika satria mandoto, ary hahazoana zavatra tsara izy ireny rehefa atolotra ny manam-pahaizana.

Lire la suite

Articles Similaires