• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © San Diego Zoo
Image
Vaovao

Fanarenana ny alan’Ambatotsirongorongo : 4 tapitrisa ny hazo zanatany hovolena

25/10/2024 15:15 © Moov.Mg

Fomba iray efa nahitam-pahombiazana teo amin'ny fanarenana ny ala, tany Taolagnaro, Faritra Anosy, ny fambolena hazo zanatany. Sady ho fiarovana ny ala voajanahary ao Ambatotsirongorongo ity tetikasa ity, no entina mandrakotra hazo ireo toerana tsy ahitana izany ihany koa.

Fiaraha-miasa amin’ny Ecosia

Zanakazo manodidina ny 1.361.000 isa isan-taona no volen'ny orinasa Tropical Biodiversity & Social Enterprise (TBSE) sy ny Ecosia, ka hazo zanatany avokoa ny ankamaroan'ireo. Ny TBSE dia orinasa manana fahaizana manokana amin’ny fitantanana ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny karazanjavamananaina. Miompana amin’ny fitantanana ny fiantraika ara-tontolo iainana eo amin’ny sehatry ny fampiasam-bola, ny famerenana amin’ny laoniny ny tontolo iainana efa simba, ary ny fiarovana ireo karazan-javamaniry tsy fahita firy eto Madagasikara, ity orinasa ity. Ny Ecosia indray dia tranokalam-pikarohana ao amin'ny aterineto (moteur de recherche) izay mampiasa ny 100% amin’ny vola azony avy amin’ny alalan'ny dokambarotra, mba hamatsiana tetikasa ara-tontolo iainana manerana izao tontolo izao, indrindra ny fambolen-kazo. Manohana ireo tetikasa fanarenana ala ihany koa ny Ecosia, miaro ny karazanjavamanaina ary mamorona asa ho an’ny vondron'olona ifotony.

Ho an'ity tetikasa tanterahina any Taolagnaro ity, dia miara-miasa ny TBSE sy ny Ecosia, amin'ny fanarenana ny alan’Ambatotsirongorongo. Asa tanterahina ao anatin'izany ny fampifandraisana ireo ala kely mitsitokotoko, amin’ny alalan’ny fambolena hazo amin’ny velaran-tany 300 ha, sy ny fanampiana ny ala mba haniry amin’ny fomba voajanahary, amin’ny velaran-tany 500 ha. Tombanana ho 4 tapitrisa ny ala zanatany hovolena ao anatin'ity tetikasa ity ary maharitra 24 taona izany, nanomboka ny taona 2021 hatramin'ny taona 2045.

Zanakazo zanatany

Zanakazo zanatany toy ny voalava, ny "dragonnier de Madagascar", ny hazombaroa, ny satrana telolafy ary ny hintsy no volen'ny TBSE. Mamboly karazan-javamaniry tsy zanatany vitsivitsy, izay mifanaraka amin’ny faritra maina ihany koa anefa ny orinasa. Ny fananany tanin-janakazo dia mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanohanana ny asa velon-tenan'ireo vondron'olona ifotony, indrindra amin’ny alalan’ny famokarana hazo fihinam-boa toy ny voasary, ny letisia sy ny akondro.

Etsy an-daniny, ahitana karazanjavamanaina tsy manam-paharoa ny toeram-pambolen’ny TBSE. Ny fikajiana ny ala, izay sahanin’ny orinasa, noho izany, dia miantoka ny fiarovana ireo biby ihany koa. Karazana varika miisa 9 no hita ao anatin’ny alan’Ambatotsirongorongo, ary efa ahiana ho lany tamingana ny sasany amin’izy ireo, toy ny « Microcebus manitatra » sy ny maki. Araka izany, mametraka paikady iadiana amin’ny afo ihany koa ny TBSE, izay iarahan’ny orinasa miasa amin’ny vondron’olona ifotony.

Lire la suite

Articles Similaires