• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marmiton
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « tarte aux mûres » na tarte voaroy hazo

24/10/2024 08:33 © Moov.Mg

Vokatra izao ny voaroy azo ary saika ahitana azy eny an-tsena rehetra eny. Afaka ampiasaina amin’ny karazana nahandro samihafa ity voankazo mahasalama ity ka ny fanaovana tarte voaroy hazo no andeha atoro antsika eto indray. Araho ary !

Ireo zavatra ilaina raha hanao tarte voaroy hazo

Ireo ilaina amin’ny fanaovana pâte brisée
-Lafarina 300g ;
-Dibera 250g ;
-Rano kely ;
-Siramamy 2 sotro fihinanana ;
Ireo akora hanaovana ny anatin’ny tarte
-Lafarina 1 sotro fihinanana ;
-Siramamy 2 sotro fihinanana ;
-Voaroy hazo masaka tsara 600g ;
-Ronono 1 vera ;
-Atody 1.

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

Ny fanaovana ny pâte brisée
Atao anaty saladier ny lafarina sy ny siramamy ary ny dibera malemy (tsy mivaingana nefa tsy mitsonika). Atambatra amin’ny lohan-tanana ireo akora rehetra ireo mba hahazo fangaro mamasipasika. Avy eo asiana rano kely ary volavolaina amin’ny tanana mba hahazo paty boribory lehibe sy mitambatra tsara. Fonosina papier alimentaire ary avela hipetraka anaty vata fampangatsiahana mand**ritra ny ora 1.
Ny fanaovana ny tarte voaroy hazo
Rehefa vita izay dia avoaka ny pâte brisé ary fisahana amin’ny rouleau à pâtisserie eo ambony latabatra norarahana lafarina. Rehefa fisaka dia apetraka anatin’ny lasitra na ny « moule à tarte ».
Sasana tsara ny voaroy hazo ary avela hitsiaka ny rano. Avy eo alahatra eo ambonin’ny pâte brisée.
Afangaro anaty saladier ny atody, siramamy, lafarine ary ny ronono. Kapohana amin’ny fouet hifangaro tsara. Araraka eo ambonin’ny voaroy hazo io fangaro io.
Atsofoka anaty lafaoro efa nafanaina tamin’ny hafanana 180°C mialoha ny tarte. Andrahoina ao mandritra ny 30 minitra eo ho eo. Rehefa masaka dia avoaka ary avela mangatsiaka vao esorina tao anaty lasitra.

Lire la suite

Articles Similaires