Bevohoka : ireo tsara fantatra mikasika ny fanaintainan’ny rohinofo
Tranga mety miseho mandritra ny fitondrana vohoka ny fahatsapana marary manodidina ny valana, ny fitombenana, ny fotope, ny elakelam-pe na eo ambonin’ny fivaviana ka izay no atao hoe fanaintainanan’ny rohinofo na « douleurs ligamentaires ». Andeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasik’izany.
Inona no antony mahatonga ny fanaintainan’ny rohinofo rehefa bevohoka ?
Rehefa bevohoka ny vehivavy dia misy toy ny tady maro mihazona azy ny tranon-jaza, dia ny rohinofo izany. Rehefa mitombo ny zaza ao am-bohoka dia mitombo manarak’izany ihany koa ny haben’ny tranon-jaza. Ity farany dia lasa misintona mafy ireo rohinofo ka izay no mahatonga ilay fanaintainana eo amin’ny valahana, fotope, ambonin’ny fivaviana, fitombenana ary mety hihitatra hatrany amin’ny ranjo ihany koa indraindray.
Misy tokony atahorana ve izany ?
Marina fa mety marary be io fanaintainanan’ny rohinofo io nefa kosa tsy tokony misy atahorana izany satria zavatra ara-boajanahary. Ny anavahana io fanaintainana io amin’ny mety ho olana hafa mahatonga fanaintainana eo amin’ireo faritra ireo ny ho maharitra io fanaintainana io fa tsy mandalo segondra na minitra vitsy ihany. Matetika dia amin’ny maraina vao mifoha na amin’ny hariva rehefa vizaka be iny no mitranga izany.
Ahoana no atao hanalefahana ny fanaintainan’ny rohinofo ?
Satria moa zavatra ara-boajanahary ny mahatonga ny fanaintainan’ny rohinofo eo amin’ny bevohoka dia tsy misy fomba azo atao hisorohana izany. Ny azo atao dia ny manalefaka ilay fanaintainana amin’ny alalan’ny :
-Fihinanana sakafo mitahiry magnésium toy ny akondro, voamaina, chocolat noir… mba hampalefaka ny fihenjan’ny rohinofo ;
-Fanetsiketsehana ny vatana fa tsy matory na mipetra-dava. Isan’ny tena mety ny fandehanana tongotra isa-maraina ;
-Tsy fibatana zavatra mavesatra ;
-Tsy fanaovana mahery fihetsika ka anisan’izany ny fakana fotoana rehefa hitsangana na hiondrika ;
-Fanorana mora ny faritra manaintaina ;
-Milona rano mafana na tobasana rano mafana ny faritra manaintaina.
Raha toa kosa ka tsy mety mitony na tena marary mampijaly be ny fanaintainan’ny rohinofo dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo na mampahafantatra izany ny rasazy rehefa misafo mba hahazoana ny toromarika sahaza.