• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Douanes Madagascar
Image
Vaovao

Tetikasa Mandroso : Natomboka tany Toliara ny fampahafantarana ny fenitry ny Fadintseranan

22/10/2024 16:33 © Moov

Ao anatin’ny fanatanterahana ny Tetikasa Mandroso dia natomboka tany Toliara ny hetsika fampahafantarana ny fenitry ny Fadintseranana (Programme de sensibilisation aux normes douanières). Raha tsiahivina moa dia natao indrindra ho fampivoarana ny Fadintseranana ity tetikasa ity ka tafiditra ao anatin’ny fanatrarana ny tanjona izany. Mpiasan’ny fadintseranana sy ireo mpisehatra amin’ny fanondranana sy ny fanafarana entana no nandray anjara tamin’izany.

Lohahevitra miisa sivy

Fotoana nanato indrindra hamerenana indray amin’ireo mpampiasa ny Fadintseranana ireo tsara ho fantatra eny an-toerana io fotoana io. Nanentanana azy ireo ihany koa amin’ny fanajana ny fitsipika sy fampahafantarana ireo zava-baovao hanatsarana hatrany io toerana io. Araka izany dia lohahevitra sivy no novelabelarina nandritra ny fampahafantarana ka tao anatin’izany ny dingana amin’ny famoahana entana, ny dingana amin’ny famahana ny fifanolanana amin’ny Fadintseranana, ary ny zavatra takian’ny CITES (Convention sur le commerce international des espèces de faune et de flore sauvages menacées d'extinction). Eo ihany koa anefa ireo zo sy lalàna arahina ary ny fijerena ny haba alaina amin’ny fanondranana sy ireo maro hafa. Tokana moa ny tanjona amin’izany dia ny fampivoarana ny Fadintseranana. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha ka hahatonga azy ireo hanaraka akaiky kokoa hatrany ny fenitry ny Fadintseranana.

Mpandray anjara maherin’ny 2 000

Mpandray anjara miisa 2 000 mahery eran’i Madagasikara no kendrena amin’izao hetsika fampahafantarana izao. Vokatra andrasana amin’izany ny hitomboan’ireo orinasa mampiasa ny Statut d'Opérateur Économique Agréé (OEA). Marihina moa fa mbola hitohy any amin’ireo faritra lehibe toa an’i Toamasina, Mahajanga, Antananarivo, Antsirabe sy ny hafa ny fanentanana. Antenaina fa hitondra fangaraharahana hatrany eo amin’ny asan’ny Fadintseranana ary hanamorana ny asan’ireo mpandraharaha.

Lire la suite

Articles Similaires