• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ivi
Image
Reny&Zaza

Hanao « Fécondation In Vitro » : manampy ny ezaka atao ny sakafo hoanina

22/10/2024 15:52 © Moov.Mg

Maro ireo mpivady sahirana mahazo zaza ka misafidy ny hanao FIV na (Fécondation In Vitro). Ho an’ireo mahafeno ny fepetra hanaovana ny FIV ka hiroso amin’izany dia atoro eto ny sakafo tsara hoaninina hanohanana ny ezaka atao amin’ity « insémination artificielle » ity.

Inona ny maha zava-dehibe ny sakafo rehefa manao FIV ?

Ny FIV na « Fécondation In Vitro » dia fomba iray hanampiana ny mpivady tsy mety mahazo zaza noho ny antony manokana ara-pahasalamana. Manampy amin’ny fahombiazan’ity ezaka ity ny sakafo hoanin’ilay vehivavy atao FIV. Misy tokoa mantsy ireo karazana sakafo manampy amin’ny fifikiran’ny atody ao anaty tranon-jaza. Tsara mihinana izany sakafo izany ihany koa moa ny vehivavy tsy hanao FIV, tsy manana olana ara-pahasalamana manokana, nefa sarotra mitoe-jaza.
Ny vatan’ny vehivavy dia mamokatra tsiry mpanentana na hormonina iray atao hoe « progestérone ». Ity farany no mampatevina ny tranon-jaza ka manampy betsaka amin’ny fahombiazan’ny FIV. Rehefa matevina tokoa mantsy ny tranon-jaza dia mora kokoa hoan’ny atody ny mifikitra ao anatiny. Mila manana hatevenana 6 na 7mm izy io mba hampandaitra ny FIV. Marina fa tsy misy sakafo manokana mitondra « progestérone ». Misy kosa ireo « molécules » vokarin’ny vatana mampitombo azy io. Anisan’izany ny vitamina C, vitamina B, vitamina B12, zinc, magnésium, sélénium sy oméga-3.

Ireo karazana sakafo manohana ny FIV mba hampahomby izany

Anisan’ireo sakafo tsara hoanina rehefa manao FIV ary ireo izay mitahiry :
-Zinc toy ny huîtres, hen’omby, crevettes, noix, avoine, amande, atikena, atody, lentilles, akoho, tsaramaso mena sy fotsy, épinards, zavoka, tongolo gasy, voanjobory, karaoty, radis… ;
-Vitamina C toy ny voasary, voasary makirana, voatabia, akondro, kiwi, poivrons, brocoli, laisoa, kotomila… ;
-Vitamina B6 toy ny akoho amam-borona, henan-kisoa, noisettes, trondro, ovy, zavoka, akondro, noix… ;
-Vitamina B12 toy ny voakena, atikena, atidohan-kena, atin’akoho, saumon, sardine, thon, tekateka, huitre, foza orana, bitro, fromazy, atody, drakaka, langoustes… ;
-Sélénium toy ny crevettes, sardine, atikena, tekateka, gana, brocoli, paty, voatabia, henan-kisoa, fromazy… ;
-Magnésium toy ny chocolat noir, cacao, épinards, haricots vert, akondro, trondro, avoine, tsaramaso maina… ;
-Oméga-3 toy ny graine de lin, graine de chia, zavoka, saumon, menaka oliva…
Ankoatra ireo sakafo voalaza ireo dia ilaina ihany koa ny misotro rano betsaka. Mampihena ny fikaikokaikon’ny tranon-jaza ihany koa ny fisotroana ranom-boaloboka ka manampy ny atody hifikitra kokoa.

Lire la suite

Articles Similaires