• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ny Vaovao Isan'Andro
Image
Vaovao

Varotra hosoka : Olona miisa 24 hiatrika fitsarana noho ny fanapohana solika tao Toamasina

22/10/2024 14:38 © Moov

Tambazotra lehibe iray amin’ny varotra solika hosoka na solika mitapoka no tratra. Nanomboka tamin’ny 10 oktobra lasa teo ny fikarohana ireto olona ireto. Miisa 24 izy ireo izay nosavaina tamin’ny tokantrano miisa 10 tao Toamasina. Hiatrika fitsarana izy ireo aorian’izao fahatratrana azy ireo izao.

Fitorian’ny OMH

Fandraisana andraikitry ny Office Malgache des Hydrocarbures (OMH) no nahafantarana ny fisian’ity varotra hosoka ao Toamasina ity. Fitoriana avy amin’ity farany ity no nahatonga ny fikarohana ka nahatrarana ireto olon-dratsy. Amin’ny ankapobeny dia any amin’iny faritra avaratr’i Toamasina iny no tena hamarotan’ireto olon-dratsy ity solika mitapoka ity. Ao anatin’izany i Mananara, Maroantsetra sy iny Fenerive Est iny. Niaraka tamin’ny fahatrarana ireto olona miisa 24 ireto araka izany dia nogiazana ihany koa ny fitaovana izay fampiasan’izy ireo. Tao anatin’izany ny fiara miisa 4, moto 5, moto pompe miisa 8 ary fiara citerne miisa 4. Izay efa azo lazaina ho ari-fomba ihany koa raha ireo fitaovana hampiasain’izy ireo io. Ankoatra izany dia nahatrarana lasantsy 11 410 litatra sy gazole 7 950 litatra tao amin’ny toerana nahitana azy ireo. Raha marihina mantsy dia mividy solika betsaka izy ireo ary ireny no tapohany asidra ka hamidiny indray izany rehefa avy eo, hoy ny fanazavana avy amin’ny Lehiben’ny sampana ady heloka bevava ao amin’ny Zandarimaria , Ny Colonel Tahiana Ravelomanana. Hiakatra fitsarana amin’ity anio ity araka izany ireto olona ireto.

Miantso fandraisana andraikitra

Ao anatin’izany olana rehetra izany dia miantso ny fandraisana andraikitry ny rehetra ny avy ao amin’ny OMH. Azo atao ny mitoroka hoy izy ireo ary tena zava-dehibe izany ho fiarovana ny fiaran’ny tsirairay. Marihina moa fa varo-maizina no hivarotan’izy ireo izany solika izany. « Tokony eny amin’ny mpaninjara ara-dalàna ihany no manjifa solika. Mampididoza amin’ny fananana mantsy ireny karazana solika ireny ary mety hiteraka fandaniana miompampana ho an’ny tompon’ny fiara », hoy i Ranto Ratovondrahona avy ao amin’ny OMH. Nanamafy hatrany moa ny avy ao amin’ny OMH fa voararan’ny lalàna rahateo izany karazana varotra izany ka maha-zava-dehibe ny fitorohana. Etsy andaniny dia mbola loza mitatao ho an’ny toekarena ihany koa izany.

Lire la suite

Articles Similaires