• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy tantsaha : Nanentanana ny tanora vehivavy hanabe isa ny mpisehatra

16/10/2024 10:53 © Moov

Anisan’ny fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny vehivavy. Hita taratra izany eo amin’ny lafiny maro ary ihany koa eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Ho fanomezam-boninahitra azy ireo ary dia nankalazaina omaly 15 oktobra ny andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy tantsaha. Fotoana lehibe nentina nanentanana ny tanora hiditra ao anatin’io sehatra io sy hampitombo ny isan’izy ireo.

Fampandrosoana maharitra

"Vehivavy mpamokatra, fanoitra amin'ny fampandrosoana maharitra" ny lohahevitra nifanentanana nandritra izany. Nentina indirndra izany hanehoana fa tena fanoitra ho an'ny fampandrosoana tokoa ny vehivavy. Ankoatra ny fanohanana ireo vehivavy ireo anefa dia nanamarihana ny fotoana ihany koa ny fanehoana fomba fandrahoana sakafo ara-pahasalamana. Teo ihany koa ny fanehoana fomba fampitomboana haingana ny vokatra mangahazo. Tao anatiny ihany koa ny fizaràna fitaovam-pamokarana (broucyclettes) sy milina fanamboarana arina fandrehitra, ary ny fizaràna karatry ny mpamokatra tamin'ny alalàn'ny PURPA sns. Tanjona amin’izany rehetra izany moa dia ny fampandrosoana maharitra amin’ny alalan’ny fanatsarana io sehatry ny famokarana io.

Tanora 360 ho tohanana

Fotoana iray nanamarihana fa omena tohana sy fanampiana hatrany ireo tantsaha ho fampivoarana ny tenany sy ny firenena mihitsy. Nahazo tohana araka izany ireo tantsaha maro tao Talatan’ny Volonondry nandritra ity fankalazana ity. Tao anatin’izany ny fitaovana sy ny hana-pamokarana samihafa toy ny masomboly, ny biby fiompy, ny fitaovana entina mamboly isan-karazany. Raha ny tanjona ao anatin’ny telo taona, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Faombolena sy ny fiompiana dia tanora miisa 360 no ho tohanana ao anatin’ny 3 taona raha mbola fanombohana fotsiny io notanterahina io. Niaraka tamin'izany tohana izany dia nomena fanampiana tamin'ny fanoratana ny tetikasam-pamokarana, misy ihany koa ny fiofanana ara-teknika, ny fiofanana ara-pitantanana famokarana ho an’ireo tanora ireo.

Lire la suite

Articles Similaires