Tontolo iainana : Angatahana ho lasa tahirin-javaboahary i Mantadia sy Tsimembo Manambolomaty
Manana tahirin-javaboahary (réserve de biosphère) miisa 5 i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Vao nandefa fangatahana ny amin’ny hanasokajiana faritra arovana roa hafa, ho tahirin-javaboahary, ny komity malagasy misahana izany.
Olona sy voahary miara-miaina
Raha faritana tsotsotra, ny atao hoe : tahirin-javaboahary dia faritra arovana, ahitana rohivoahary (écosystème) an-tanety, an-dranomasina, amin’ny sisin-tany… ary nankatoavin’ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fanabeazana, ny Siansa sy ny Kolontsaina (UNESCO). Manan-danja lehibe ny fiarovana ny rohivoahary, amin’ireo faritra arovana voasokajy ho tahirin-javaboahary ireo, fa mbola ambony lavitra noho izany ny olombelona miaina manodidina azy ireny. Manana anjara asa mpiaro ireny rohivoahary ireny ny olona, fa ihany koa, tokony ho afaka misitraka ireo tombontsoa mety ho azo avy amin’ny fitrandrahana ny tahirin-javaboahary, ao anaty fitsinjovana ny ho avy, mba ho lovain-jafy izany harena voajanahary izany.
Tahirin-javaboahary 5
Amin’izao fotoana izao dia miisa 5 ireo tahirin-javaboahary ananan’i Madagasikara sy nahazo fankatoavana avy tamin’ny UNESCO, dia :
• Ny valan-javaboaharin’i Mananara Nord, izay lasa tahirin-javaboahary nanomboka ny taona 1990
• Ny valan-javaboahary Sahamalaza- Iles Radama, ahitana ny Nosy Kalakajoro, Nosy Valiha, Nosy Faly sy Nosy Berafia, izay lasa tahirin-javaboahary nanomboka ny taona 2001
• Ny « Littoral de Toliara », izay lasa tahirin-javaboahary nanomboka ny taona 2003
• Ny valan-javaboahary Belo-sur-Mer-Kirindy-Mite, izay lasa tahirin-javaboahary nanomboka ny taona 2016
• Ny valan-javaboahary Tsimanampesotse - Nosy Ve Androka, izay lasa tahirin-javaboahary nanomboka ny taona 2018.
Mampivoatra ny eny ifotony
Nisy, androany, ny fihonana tamin’ny mpanao gazety, nokarakarain’ny Tambajotran’ireo haino aman-jery aty Afrika ho an’ny fampiroboroboana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana (REMAPSEN Mada), izay nanasana ny teo anivon’ny UNESCO sy ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), mba hanazava ny momba ny fiarovana sy ny maha-zava-dehibe ireo tahirin-javaboahary eto amintsika ireo. Tao anatin’izany no nanazavan’ny mpandrindra ny UNESCO eto Madagasikara, Rakotoson Julie, ireo andraikitra sahanin’ity rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana ity, amin’ny fanohanana ara-bola sy ara-teknika ireo tetikasa ahafahana miaro ireo tahirin-javaboahary eto amintsika sy ahafahan’ny vondron’olona ifotony miaina am-pitoniana miaraka amin’ireo harena voajanahary. Ny talen’ny serasera eo anivon’ny MEDD, Razafimahefa Luciano kosa, dia nanipika fa misy tombony lehibe ny fametrahana ireo tahirin-javaboahary ireo, satria rehefa mipetraka izany dia miteraka asa velon-tena sy fiovana eny ifotony.
Fangatahana amin’ny UNESCO
Nilaza ny filohan’ny sampan-draharaha misahana ny faritra arovana eo anivon’ny MEDD, Ramanantsoa Seheno, fa vao nisy ny fivoriana notanterahin’ny komity mpandinika ny momba ny fametrahana ny tahirin-javaboahary (comité MAB), izay nandefa fangatahana eo anivon’ny UNESCO, mba hametrahana ny valan-javaboaharin’i Mantadia sy Tsimembo Manambolomaty ho isan’ny tahirin-javaboaharin’i Madagasikara. Etsy an-daniny kosa anefa, dia angatahan’izy ireo ihany koa ny hanesorana ny « Littoral de Toliara », tsy ho isan’ny tahirin-javaboaharin’i Madagasikara intsony aloha, mandrapahitana mpitantana, izay afaka hanatanteraka ny asa rehetra takiana sy ny tetikasa rehetra, izay ahafahana tena miaro izany faritra arovana izany. Amin’ny taona 2025 ho avy io no heverina fa ho fantatra ny valin’ny fangatahan’ny comité MAB, izay ivondronan’ny solontenan’ny ministera maro, toy ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ambony, ahitana ihany kosa siantifika sy mpikaroka ary manam-pahaizana momba ny tontolo iainana.