• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Antenimierampirenena : Solombavambahoaka vaovao miisa 3, misolo ireo voatendry ho minisitra

16/10/2024 08:16 © Moov.Mg

Solombavambahoaka telo vaovao no natolotra tamin’ny fomba ôfisialy, omaly, teny amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Izy ireo no misolo toerana ireo Solombavamabahoaka voatendry ho minisitra.

Depiote vaovao

Araka izany dia nisokatra tamin’ny fomba ôfisialy omaly 16 ôktôbra, ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan’ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara, ho an’ity taona 2024 ity. Isan'ny nisongadina, nandritra ny lanonam-panokafana, ny fandraisana tamin'ny fomba ôfisialy ireo depiote vaovao, dia i FREYDIER Michael, misolo an-dRAZAFINJATO Aurélie Marie Augustine voafidy tao Vohibato, izay voatendry ho minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina ; RAZAFINDRAKOTO Victor, misolo an'i SAHONDRARIMALALA Marie Michelle voafidy tao Fianarantsoa, izay voatendry ho minisitry ny Fanabeazam-pirenena ; ary i MALAINKORATSY Jocelyn, misolo an'i MARA Volamiranty Donna voafidy tao Nosy Varika, izay voatendry ho minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Fanajana ny tontolo iainana

Raha tsiahivina, ny fotoam-pivoriana faharoa toa izao, isan-taona, dia natokana indrindra handinihana ny volavolan-dalàna lasitra mifehy ny teti-bolam-panjakana (LFI), izany hoe : ho an’ny taona 2025, ho an'ity indray mitoraka ity. Mifanindran-dalana amin'izay dia nanentana ny Solombavambahoaka ny filohan’ny Antenimierampirenena, TOKELY Justin, ny amin’ny fanolorana tolo-dalàna ary nanambara izy fa vonona hatrany ny Antenimierampirenena amin’ny fiaraha-miasa, hahafahana mitondra fanatsarana eO amin’izay lafiny lalàna izay. Namporisihiny manokana ny fanamafisana ny lalàna momba ny tontolo iainana sy ny fitsinjaram-pahefana. Nanentana ny vahoaka malagasy ihany koa izy, mba hanaja ny tontolo iainana sy hiaro ny tanindrazana, ka hiady amin’ny doro tanety, izay isan'ny fositra mahatonga ny olan'ny jiro sy rano iainantsika amin'izao, araka ny nambarany.

Nivoitra tao anatin'ny lahatenin'i TOKELY Justin, ankoatra izay, ny fiarahabana ny filoha RAJOELINA Andry, tamin’ny nahavoafidy azy ho Filohan’ny vondrona SADC manomboka ny taona 2025. Notsipihiny, niaraka tamin'izany, ny maha-zava-dehibe ny fandraisana ireo fivoriana an-tampony, toy ny Africa 50, izay mbola hitohy amin’ny fandraisana ny fivorian’ny Commission de l’Océan Indien sy ny vondrona SADC, amin’ny taona ho avy.

Lire la suite

Articles Similaires