• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Fahadiovana : Malagasy 1 amin’ny 4 monja no manana fitaovana fanasan-tanana miaraka amin’ny savony

15/10/2024 16:47 © Moov.Mg

Marihina androany 5 oktobra ny andro maneran-tany ho an’ny fanasan-tanana. Fihetsika kely sy tsotra izy ity, misoroka aretina maro isan-karazany ny fanaovana azy matetika, nefa hatramin’izao dia mbola mila ampahatsiahivina hatrany ny olona hanatanteraka azy. Mbola maro ihany koa ireo olona tsy manana fahafahana ny manao izany fanasan-tanana izany, araka ny filàny azy.

Tokony ho fahazarana

Isan-taona dia manamarika ny andro maneran-tany ho an’ny fanasan-tanana foana ny eran-tany. Isan’izany isika eto Madagasikara, mba hanentanana ny olona amin’ny maha zava-dehibe izany fihetsika tsotra nefa mamonjy ain’olona maro izany. Isan’ny namporisihina mafy ny fanaovana azy, nandritra ireny vanim-potoana nampirongatra ny valanaretina COVID-19 ireny. Raha tokony ho efa tafiditra ao anatin’ny fahazaran’ny tsirairay, araka izany ny fanasan-tanana, dia mbola maro no tsy manatanteraka izany, noho ny tsy faharesen-dahatra amin’ny voka-tsoa entiny. Misy koa anefa ireo tsy manana ny fitaovana ilaina, dia ny rano sy ny savony, ka mety ho tratran’ireo aretina ateraky ny loto, toy ny fivalanana, ny lfakozatra, na ihany koa ny aretina vokatry ny fifampikasohana, toy ny sery sy ny gripa. Raha ny antontan’isa vokatry ny fanadihadiana MICS tamin’ny taona 2018, dia olona 1 amin’ny 4 monja, eto Madagasikara, no manana fitaovana fanasan-tanana miaraka amin’ny savony. Mihoatra ny antsasaky ny toeram-pianarana no tsy manana rano madio, savony ary toerana hanasan-tanana.

Ny fanasana tànana tsy tapaka anefa dia fomba iray mahomby tsy ahazoana aretina, na hamindrana otrik’aretina amin'olon-kafa. Araka ny fantatra dia mampihena hatramin'ny 40% ny trangan'aretina fivalanana ny fanasana tanana amin'ny savony.

Lire la suite

Articles Similaires