• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mesupres
Image
Vaovao

Famatsiana : Hanampy amin’ny famahana ny olan’ny rano eny amin’ny fonenan’ny mpianatra ny ONG MAMOA

09/10/2024 16:38 © Moov

Tsy mbola mivaha ny olan’ny mpianatra monina eny amin’ny Cité Universitaire Ankatso. Tao anatin’izany dia nilaza ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanalefahana ny olana ny avy ao amin’ny ONG MAlagasy Mobilisés pour l’Action (MAMOA). Nihaona tamin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny Filoha mpanorina ny ONG, Ratsimbazafy Yasser Gerardain, tamin’ity anio ity.

Fidinana ifotony

Nifantoka tamin’ny famahana ny olan’ny rano eny anivon’ny « Cités universitaires » Ankatso ny fihaonana ka hitondra fandraisana anjara ho famahana ny olana ny ONG MAMOA. Raha tsiahivina dia efa herinandro maro izay no tsy nisy rano intsony teny an-toerana. Efa nisy ihany koa ny fitokonana nataon’ireo mpianatra. Efa nisy ihany koa ny fifampiresahana tamin’ireo Tompon’andraikitra ny amin’ny hamahana ny olana. Mbola tsy misy anefa ny vahaolana hita mivaingana raha ny fanazavan’ireo mpianatra. Hisy, araka izany, ny fidinana ifotony tsy ho ela eny Ankatso hiarahana amin’ireo teknisianina avy ao amin’ity fikambanana ity.

Asa sosialy

Tafiditra indrindra ao anatin’ny asa sosialy tanterahin’ity fikambanana ity izany fanampiana ny mpianatra izany. Marihina fa fikambanana tsy miankina amin’ny Fanjakana misehatra amin’ny asa sosialy izay efa manampy ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny asa sy fanampiana ny ONG MAMOA. Anisan’ny asa iray tena lehibe amin’izy ireo ny fampisitrahana rano eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeny dia ireo any amin’ny faritra saro-drano no tena hiasan’izy ireo. Hitondra ny fanampiana amin’ireo mpianatra eto Antananarivo indray izy ireo manomboka izao.

Lire la suite

Articles Similaires