• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bianco
Image
Vaovao

Ady amin’ny kolikoly : Fakan-kevitra isaky ny lohahevitra handrafetana ny paikady vaovao

09/10/2024 16:09 © Moov

Tanterahina manomboka androany eny amin’ny Bianco Ambohibao ny fakan-kevitra isaky ny lohahevitra natao hamolavolana ny paikady vaovao momba ny ady amin’ny kolikoly. Taorian’ny fakan-kevitra tany amin’ny faritra dia ity eto Antananarivo ity no hamaranana ny fakan-kevitra ka hahafahana mandrafitra amin’izay io paikady vaovao io.

Ady amin’ny kolikoly eny amin’ny asam-panjakana

Nanombohana ny fakan-kevitra tamin’ity anio ity ny fikarohana ireo ezaka hatao hahafahana miady amin’ny kolikoly eny amin’ny asam-panjakana. Ireo rafitra miady amin’ny kolikoly eny anivon’ny ministera no nampivondronana tao anatin’izany. Hanaovana fikarohana hiadiana amin’ny kolikoly ireo Tompon’andraikitra tsirairay ireo. Nandray anjara tamin’io atrikasa io ny Ministeran’ny mponina sy ny firaisankina ary nandritra izany no nanamarihan’ny solontenan’izy ireo fa iray ihany ny tanjona amin’ity paikady vaovao ity. Izany dia ny hanafoana hatramin’ny fakany ny kolikoly. Mbola ezaka lehibe izany, hoy hatrany ity Tompon’andraikitra ity fa tsy maintsy ho tratra io tanjona io. Navoitran’ny Tale Jeneralin’ny BIANCO, Razakamanantsoa Gaby Nestor, kosa nandritra ny fandraisam-pitenenany ny tokony hampifanarahana ireo fepetra rehetra entina misoroka ny kolikoly amin’izay takian’ny fifanarahan’ny firenena mikambana momba ny ady amin’ny kolikoly izay nataon’i Madagasikara sonia.

Zon’olombelona

Ankoatra io fakan-kevitra niarahana tamin’ny mpiasan’ny Minisitera io dia anisan’ny nivoitra ihany koa ny ady amin’ny kolikoly mifandraika amin’ny zon’olombelona. Misy fiantraikany betsaka amin’ny zon’olombelona mantsy ny kolikoly. Ao anatin’izany ny fahasarotan’ny vehivavy sy ny ankizy amin’ny fahazoana ny taratasy ara-tsivily. Ao ihany koa ny fahasarotana eo amin’ny lafiny fampianarana sy ny fahasalamana sy ireo maro hafa. Hojerena manokana araka izany ny fampidirana izay zon’olombelona izay amin’ny rafitra rehetra miady amin’ny kolikoly. « Hiara-hiasa manomboka izao ny rafitra rehetra miady amin’ny kolikoly sy ny fikambanana ary ny rafitra mpiaro ny zon’olombelona. Ao anatin’izany ny « Haut-commissariat des droits de l’homme, ny Firenena Mikambana ary ny rafitra « système anti-corruption », hoy ny fanazavan’ny avy ao amin’ny BIANCO.
Ankoatra ireo rehetra ireo dia mbola maro ireo lohahevitra ho resahina. Ao anatin’izany ny ady amin’ny kolikoly manoloana ny fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra 2030. Eo ihany koa ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny tanora sy ny fanatanjahantena, ny ady amin’ny kolikoly mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy. Ny eny amin’ny rafi-pitsarana, ny eo amin’ny fitsinjaram-pahefana ary ny momba ny tany sy ny fananan-tany.

Lire la suite

Articles Similaires