• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ndriana Razanamasy
Image
Vaovao

Fifidianana Ben’ny tanàna : Fantatra ny laharan’ireo kandidà ao anaty biletà tokana

09/10/2024 15:44 © Moov.Mg

Taorian’ny fivoahan’ny lisitra ofisialin’ireo kandida hofidiana ho Ben’ny tanàna sy Mpanolo-tsain’n’ny tanàna, omaly 8 ôktôbra 2024, dia notanterahina androany ny fisarihana ny laharan’ny kandidà ao anaty biletà tokana, sady filaharana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fidirana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana.

Loha-lisitra fito

Tontosa androany avokoa ny fisarihana ny laharan’ireo lisitra kandida ho Ben’ny tanàna sy mpanolo-tsain’ny tanàna, teny anivon’ny rafitra mpanamarina sy mpikirakira ny firotsahan-kofidina (OVEC) manerana ny Distrika 120 eto Madagasikara. Tahaka izao ny filaharana, ho an’ireo kandida hofidiana ho Ben’ny tanàna amin’ny 11 desambra izao, ho an’Antananarivo Renivohitra :

1 : Razanamasy Ndriana, Kandida tsy miankina, Iarivo Mandroso
2 : Razafinjoelina Tahina, Tia Tanindrazana
3 : Randrimampionona Joseph Martin na « Dadafara », Refondation totale de Madagascar (RTM)
4 : Ravalomanana Tojo, Tiako i Madagasikara (TIM)
5 : Roindefo Monja, kandida tsy miankina
6 : Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa (Mouvement Gasikara)
7 : Ramanantsoa Harilala, Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina (IRMAR)

Misy kandida daholo

Araka ny tatitra navoakan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana (CENI), Dama Andrianarisedo Retaf Arsène, omaly, dia manana kandida avokoa ny kaominina rehetra miisa 1 695 manerana an’i Madagasikara. Miisa 1 hatramin’ny 8 ny lisitra kandida isaky ny kaominina, ka misy kaominina 8 isa no ahitana lisitra kandida miisa 8, raha toa ka kaominina 81 isa no tsy manana afa-tsy kandida tokana. 5 389 ny totalin’ny lisitra ofisialin’ireo kandida manerana an’i Madagasikara, izay mitsinjara ho 1 860 isa, natolotry ny vondrona pôlitika ; 1081 isa, natolotry ny antoko pôlitika ary 2 448 isa no mahaleo tena. Ny 5 062 amin’ireo kandida ho Ben’ny tanàna no lehilahy ary 327 no vehivavy.

Marihina fa lisitra no fidiana amin’ity fifidianana Ben’ny tanàna ity, ka ny loha-lisitra no Ben’ny tanàna ary ny mpiray lisitra no mpanolo-tsaina.

Lire la suite

Articles Similaires