• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Coramad
Image
Vaovao

Aretina avy amin’ny virosy : Nahafaty olona hatramin’ny 800 isan-taona teto Madagasikara ny haromotana tao anatin’ny telo taona

09/10/2024 14:35 © Moov

Mbola maro no tsy mahalala momba ny haromotana eto Madagasikara kanefa nahafaty olona 800 isa isan-taona io teto an-toerana, tao anatin’ny telo taona, raha ny fikarohana avy amin’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM). Izany indrindra no antony hanohizana ny fankalazana ny andro maneran-tany hiadiana amin’ny haromotana. Mikarakara fihaonambe ny « Contrôle de la rage dans la commune urbaine d'Antananarivo – Madagascar » CORAMAD eto Antananarivo. Tanterahina omaly sy androany izany ary natao hikarohana vahaolana mba hahafahana manafoana io aretina io.

« Zéro by 30 »

Anisan’ny tanjon’ity fihaonambe ity ny fanafoanana tanteraka ny haromotana hatramin’ny taona 2030 izay nahatonga ny lohahevitra hoe « Zéro by 30 ». Io ihany koa no teny manentana entin’ireo mpandray anjara rehetra miady hevitra sy mifanakalo hevitra hahafahana manatratra azy. Mandritra ireo roa andro ireo, mpikaroka iraisam-pirenena efa ho telopolo avy amin'ny andrim-panjakana siantifika any Afrika, Azia Atsimo-Atsinanana ary Eoropa no navondrona. Fotoana iray ihany koa mba hanomezana malalaka ho an'ny fifanakalozana ara-tsiansa sy fifampizaràna fahalalana ary traikefa momba ny fomba iadiana amin'ny haromotana ampiasaina manerana izao tontolo izao. Iray ny tanjona dia ny hanafoana tanteraka io aretina io. Mbola lavitra rahateo ny ezaka raha ho an’ny Madagasikara izay mbola manana io taham-pahafatesana ambony io.

Mila fanentanana

Tranga misy maneran-tany ary mahafaty haingana ny haromotana vokatry ny kaikitry ny aliaka tsy vita vakisiny. Samy manana ny fomba fandraisany fepetra anefa ny firenena tsirairay ka anton’ity fihaonana ity. Amin’ny ankapobeny, raha ho an’ny Madagasikara manokana dia ny fampahafantarana ny momba ity aretina ity mihitsy no mbola tsy ampy. Manampy tosika izany ny tsy fanaovana vakisiny vokatry ny tsy firarahiana azy. Araka izany, ny fanentanana sy fampahafantarana ny olona, an-drenivohitra ka hatrany ambanivohitra no anisan’ny vahaolana amin’io olana io. « Mbola tena maro ny olona mihevitra fa zavatra nataon’olona tamin’ny mosavy na ny toy izany ny haromotana miseho amin’ny olona ka tsy raisiny ho zava-dehibe izany. Tsara anefa ny manamarika fa mahafaty haingana izy io raha tsy voatsabo ara-potoana », hoy ny mpitsabo iray avy ao amin’ny IPM. Anisan’ny vahaolana ihany koa ny fanenana na fanafoanana ny alika mirenireny ka efa ao anatin’ny fanatanterahana izay dingana izay ny avy ao amin’ny CORAMAD amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires