• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fahasalamana : Ambany ny fahafantaran’ny Malagasy ny mikasika ny aretin-tsaina

08/10/2024 14:59 © Moov

Fikorontanan-tsaina, rari-tsaina (stress), tsy fahasalaman’ny saina, ny fahaketrahana ara-tsaina ; anisan’ny tranga isehoan’ny aretin-tsaina avokoa izany rehetra izany. Mbola ambany anefa ny fahafantaran’ny Malagasy ny atao hoe aretin-tsaina sy ny fomba fisehon’izany. Izay indrindra ihany koa no handraisana anjara amin’ny fankalazana isaky ny 10 oktobra, ny andro maneran-tany ho an’ny aretin-tsaina. Amin’ity taona 2024 ity dia hiompana amin’ny tontolon’ny asa ny lohahevitra.

Lohalaharana

Anisan’ny aretina iray saro-pantarina rahateo ny aretin-tsaina, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Miseho amin’ny endriny maro izy io. Ao anatin’izany ny fiovan’ny fihetsika isan-karazany ao anatin’ny fotoana maharitraritra. Ohatra amin’izany ny fikorontanan’ny torimaso matetika loatra sy tsy mahazatra. Ao ihany koa ny « burn-out » na ilay antsoina hoe fahaketrahana ara-tsaina ka tsy mampisy fahazotoana ny olona iray intsony. Eo ihany koa ny tsy fahaizana miaramonina amin’ny olona ary ny maro hafa. « Tokony hanaitra ny Tompon’andraikitra izany, indrindra eo amin’ny tontolon’ny asa. Fantatra mantsy fa misy fiantraikany amin’ny asan’olona iray izany aretin-tsaina izany, toy ny tsy fifantohana, ka tokony hisy ny ezaka hataon’ny orinasa tsirairay hanarenana izany », hoy i Stacy Rakotondrazanany, manam-pahaizana manokana amin’ny « santé mentale sy ny soutien Psychosocial » nandritra ny famelabelaran-kevitra niarahany tamin’ny REMAPSEN Mada. Araka izany, ho lohalaharana amin’ity taona ity ny fampahafantarana ity aretina ity eny anivon’ny orinasa sy ny tokony hataon’izy ireo ao anatin’izany.

Hetsika marolafy

Ankoatra ny eny anivon’ny orinasa dia natao indrindra hampahafantarana ny momba ity aretina ity ihany koa io andro io. Amin’ny ankapobeny dia maro ireo hetsika mety ho hita ho fankalazana sy fampahafantarana io aretina io manerana ny Nosy. Ho an’ny Renivohitra kosa dia haharitra telo andro izany dia ny 10, 11, ary ny 12 oktobra izao. Anisan’ny ho voaresaka ao anatin’izany ny fahavitsian’ny mpisehatra mitsabo sy ny toerana mandray antanana ireo marary. Ao ihany koa ny fahavitsian’ny sehatra afaka manampy ireo olona mikorotan-tsaina mba ho tonga amin’ny fizakan-tenany. Mbola fanambin’ireo mpikarakara ny hetsika ihany koa ny momba ny lalàna ho amin’ny fandraisana an-tanana ireny olona ireny. Anisan’ny zava-dehibe anefa ny fampahafantarana amin’ny olona rehetra ny momba ity aretina ity sy ny fambara ary ireo fomba fitsaboana azo atao amin’izy ireo. Anisan’ny ahitana ny hetsika eny Antanikatsaka Itaosy, Antaninarenina ary ao amin’ny Sainte Famille Mahamasina ao anatin’ireo andro telo ireo.

Lire la suite

Articles Similaires