• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © O'Poisson
Image
Fahasalamana&Sakafo

08 oktobra : Andro erantany ho an'ny Orita

08/10/2024 13:12 © Moov

Anisan'ireo hazan-dranomasina lafovidy sy matsiro tokoa ny Orita (Poulpe/ pieuvre). Biby miavaka tokoa izy io satria miisa 3 ny fony, ary manga ny ràny fa tsy mba mena.

Raha eto Madagasikara izao, any Vohémar, faritr'i Sava, no tena fanjonoana Orita. Manodidina ny 10 hatramin'ny 30 taonina isan-taona ny vokatra. Mihena izany rehefa misy rivo-doza. 'Ndeha àry fantarintsika ireo sakafo matsiro ahitana Orita.

Salade de fruits de mer

Tsy sarotra akory ny fikarakarana sy fanomezan-tsiro ny Orita. Na tsy dia mahay mahandro sakafo aza dia tsy ho sahirana akory. Andrahoina ny orita, tetehina madinika ary atambatra amina hazan-dranomasina isan-karazany toy ny nofon-trondro, krevety sy kalamara. Ilaina ihany koa ireto akora ireto : voatabia, tongolo, poivrao, salady. Afangaro ireo rehetra ireo ka asiana "sauce vinaigrette" sy "mayonnaise".


Copyright Image : © Depositphotos

Salade de poulpes aux olives

Raha te hanandrana ny tena tsiron'ny Orita dia tsy ampiarahana amina hazan-dranomasina hafa mihitsy izy. Andrahoina ny Orita, tetehina, ary atambatra amin'ny Olives vertes. Tongolo sy voasary makirana no atao saosy amin'izany. Asiana dipoavatra sy sira kely dia aroso.


Copyright Image : © Marmiton

Soupe aux fruits de mer

Fomba tsotra hihinanana Orita ihany koa ny fampiasana azy ho "garniture" amin'ny lasopy. Asiana karazana hazan-dranomasina, atody, hena ny paty, ary asiana rony avy eo. Andrahoina fotsiny ireo fangaro dia efa mivoaka tsara ny tsirony.


Copyright Image : © AdobeStock

Poulpe à la provençale

Orita saosy no azo iantsoana azy ity. Ireto avy ary ireo fangaro atao amin'ny Orita : voatabia, poivrao mena, tongolo gasy, persily, tamotamo, sira, dipoavatra ary menaka oliva. Toy ireny manao hena saosy ireny ihany moa ny fikarakarana, saingy tsy atao masaka be ny Orita. 20 minitra eo dia vonona io laoka io.


Copyright Image : © Recette de cuisine

Lire la suite

Articles Similaires