• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meah
Image
Vaovao

Antananarivo : Tankin-drano maherin'ny 150 no efa naparitaka amin'ireo faritra sahirana amin'ny famatsian-drano.

07/10/2024 16:46 © Moov

Mitohy ny ezaka amin’ny famahana ny olan’ny famatsiana rano eto Antananarivo Renivohitra. Ao anatin’ny fikarohana vahaolana fohy ezaka na vonjimaika ny orinasa Jirama amin’izao fotoana izao. Tankin-drano miisa hatramin’ny 150 amin’izao no efa naparitaka amin'ireo faritra sahirana amin'ny famatsian-drano.

Nampiana ny kamiao mpitatitra

Tao anatin’ny lahatenin’ny Filoham-pirenena momba ny vahaolana noraisina ihany koa ny fanampiana ny fiara lehibe mpitatitra rano. Araka izany, raha ny fanambarana avy ao amin’ny JIRAMA dia efa miisa maherin’ny 10 amin’izao fotoana izao no mamatsy ireo tankin-drano ireo. Izany rehetra izany dia avy amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Ministeran'ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana ary mahavaly ny filàn'ny Mpanjifa amin'ireo faritra ireo. Marihina moa fa amin’izao fotoana izao dia tsy mety voavaha hatramin’ny farany ny olan’ny rano eto andrenivohitra. Efa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny haintany rahateo isika izao ka mampananosarotra ny famatsian-drano indrindra eto amin'ny faritry ny Afovoantany. Noraisina araka izany ireto fepetra ireto hahafahana manalefaka io olan’ny hain-tany io.

Vahaolana lavitr’ezaka

Ankoatra ireo vahaolana vonjimaika hamonjena ny mponin’Antananarivo ireo dia tsy hionona amin'ny vahaolana fohy ezaka fotsiny ny Orinasa JIRAMA. Efa misy ireo tetik'asa lavitr'ezaka hamahana ity olana ity amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany ny fanamboarana ireo fotodrafitr’asa maromaro izay efa tsy niasa intsony nandritra ny taona maro. Anisany ny fitrandrahana rano ambanin’ny tany (Forage) miisa 35 no ho hatao hanatsarana ny famatsiana. Mbola nanamafy ihany koa ity orinasa ity ny amin’ny fanorenana fotodrafitr’asa fanadiovan-drano miisa roa. Afaka hamokatra 50 000m3 isan’andro avy izany. Anisan’ny zava-dehibe ihany koa ny fametrahana sy fanoloana fantsona lehibe, fanampiana ireo paompy efa misy sy ireo milina mba hiarovana ny fitohizan’ny fitsinjarana. Tsara ny manamarika fa mbola mila hatramin’ny 100 tapitrisa litatra isan’andro ny mponina eto andrenivohitra. Antony iray hilazana ny maha-zavadehibe ireto vahaolana rehetra ireto.

Lire la suite

Articles Similaires