• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mic
Image
Vaovao

Fanjifana : Ampy ny vary, tsy misy atahorana ny famatsiana ny maitso ahitra

07/10/2024 16:11 © Moov

Ampy ny vary ary tsy misy atahorana hiatrehana ny maitso ahitra. Izay no fehin-tenin’ireo mpanara-maso avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) nanao fitsirihana teny an-tsena. Nitarika azy ireo tamin’izany ny Talen’ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC) Dina Rakotonirina sy ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Analamanga Natolotriniaina Herizo Fanomezantsoa.

Miverina ny fanafarana

Efa miverina amin’ny laoniny amin’izao fotoana izao ny fanafarana vary avy any ivelany. Nisy fikatonany mantsy izany teo aloha teo raha ny fanazavana avy amin’ireo mpivarotra sy ny avy ao amin’ny Ministera. Izany no azo lazaina ho hita nampiakatra ny vidim-bary tao ho ao. Araka izany, tokony hiverina amin’ny laoniny izany ato ho ato. Raha tsiahivina dia nahatratra hatramin’ny 2780 Ariary ny iray kilao amin’ny vary vokatra eto an-toerana ary 139000 Ariary ny iray gony amin’ny 50 kg. Manodidina ny 3020 Ariary kosa ny iray kilao amin’ny vary nafarana avy any ivelany. Niakatra hatramin’ny 3 400ariary kosa izany rehefa tonga teny amin’ny mpaninjara. Nilaza araka izany ireo mpivarotra ambongadiny fa ho jifaina amin’ny vidiny mirary amin’izay izy amin’izao fotoana izao. « Nihidy ny fanafarana vary avy any Inde teo aloha teo fa amin’izao fotoana izao izany dia efa misokatra. Ho tonga eto Madagasikara afaka telopolo andro ny vary nafarana. Efa tonga any Toamasina sy Toliara kosa ny vary avy any Pakistan », hoy i Louisette, mpamongady eny Anosibe. Amin’ity anio ity no heverina efa hitobaka manerana ny tsena izay vary nafarana avy any Pakistan izay, hoy hatrany ny fanazavan’ireo mpamongady.

Tsy hisy faharitrany

Nanamafy ireo mpivarotra fa hiverina amin’ny vidiny zakan’ny fahefa-mividin’ny Malagasy indray ny vary. Ho jifaina amin’ny vidiny mirary 145000 Ariary ny iray gony ary 2900 Ariary ny iray kilao miala eny amin’ny mpamongady. Raha ny hita teny amin’ireo toerana fanatobiana rahateo dia mbola betsaka ary ampy ny filàna ireo vary misy. « Sady amin’ny vidiny mirary no tsy hisy hatahorana mihitsy ny amin’ny fahalanian’ny vary eto Madagasikara », hoy hatrany ireo mpamongady. Mbola mampitandrina ireo mikasa hanangona na hanafina vary rahateo ny Ministera. Izany no hatao mba hialana amin’ny mety ho fatiantoka.

Lire la suite

Articles Similaires