• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Préfecture Tsiroanomandidy
Image
Vaovao

Tsiroanomandidy : Vehivavy 309 isa nisitraka fanabeazana aizana, latsaky ny 18 taona ny fito

07/10/2024 14:52 © Moov.Mg

Olona maherin’ny 1.200 isa no nisitraka fitiliana sy fizaham-pahasalamana maimaim-poana, nandritra ny fanamarihana nasiônaly ny andro eran-tany ho an’ny fandrindram-piterahana, notontosaina tany Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava.

Tolotra maimaim-poana

Ny 4 ôktôra izao no nanamarihana tamin’ny fomba ôfisialy ny andro eran-tany ho an’ny fandrindram-piterahana, ho an’i Madagasikara, raha ny 26 septambra no daty maneran-tany natokana ho fanentanana momba ny fampiasana ny fanabeazana aizana. Tafiditra ao anatin’ny ezaky ny fitondram-panjakana malagasy, ny fampitomboana ny isan’ireo olona misitraka izany fanabeazana aizana maoderina izany, ka tolotra maimaim-poana mikasika izany no niompanan’ny hetsika natao tany Tsiroanomandidy, teo ambany fitarihan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Olona 1 247 no nanararaotra ny fisian’ireo tolotra ara-pahasalamana nentina nanamarihana ny hetsika, ka ny 309 isa tamin’izany dia vehivavy nisitraka fanabeazana aizana. Nisafidy ny fandrindram-piterahana asisika amin’ny sandry (implanon) ny 138 tamin’ireo, ary DIU, ilay apetraka any amin’ny tranon-jaza no safidin’ny 35. Marihina fa vao sambany niroso tamin’ny fampiasana fanabeazana aizana maoderina ny 37 tamin’ireo vehivavy 309 isa ireo ary zatovovavy latsaky ny 18 taona ny 7.

Fahasalamana ara-pananahana

Nisy fandraisana an-tanana ireo vehivavy mitondra vohoka ihany koa, nandritra ity hetsika ity, izay tafiditra ao anatin’ny zon’ny vehivavy hisitraka fahasalamana ara-pananahana. Vehivavy 103, araka izany, no natao « échographie » ho fanaraha-maso ny zaza ao am-bohoka ary 84 no tonga nisafo. Vehivavy 29 kosa no natao vaksiny. Tafiditra ao anatin’izay fahasalamana ara-pananahana izay hatrany, dia nisy ihany koa ny fitiliana aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo sy VIH/Sida. Olona 16 isa no vita fitiliana farasisa (syphilis) ary olona 108 no notiliana VIH/Sida. Vehivavy 1 sy lehilahy 1, no hita, nandritra izany, fa mitondra ny otrikaretina VIH.
Ankoatra ireo tolotra mifandraika amin’ny fahasalamana ara-pananahana, dia nisy ihany koa ny fitiliana ny tazo, ny diabeta, ny fitsaboana nify, ny fanaovam-baksiny ny zaza, ny fandraisana an-tanana ireo zaza tratran’ny tsifanjariantsakafo…

Tanjon’ity hetsika notontosaina tany Tsiroanomandidy ity ny hampirindra ny fiainam-pianakaviana, mba ahafahan’ny isan-tokantrano manantena hanana ho avy mamiratra, hoy ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ity ministera ity rahateo, izay tarihan'ny Profesora Randriamanantany Zely Arivelo, dia efa mirotsaka an-tsehatra, midina ifotony, mandresy lahatra ny vahoaka, ny amin’ny tokony hirosoana amin’ny fampiasana izany fanabeazana aizana izany.

Lire la suite

Articles Similaires