• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unpointculture
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aventure culinaire : Ireo sakafo tena mampiavaka ny italiana

07/10/2024 11:39 © Moov

Maromaro ireo mpisehatra amin'ny fampisakafoanana no manan-talenta amin'ny nahandro avy any ivelany. Rehefa miditra "restaurant" ireny dia mahaliana ny maro ny manandrana nahandro isan-karazany (manao "voyage culinaire"). Raha mahaliana anao àry ny sakafo italiana, fantaro ireto nahandro tena malaza eran-tany ireto.

Pizza Napolitaine

Saika misy "Pizza Napolitaine" avokoa ny "menu"-n'ireo pizzeria rehetra. Ny tsirony sy ny fanaovana azy angamba no mety tsy mitovy.

Tsara nefa ny manamarika fa ny atao hoe "Pizza Napolitaine" dia ilay ampiasana "pâte à pizza" manify somary mikarepoka, ary 35 santimetatra eo ho eo ny savaivony (diamètre). Ny eo amboniny kosa dia misy ireto fangaro ireto : voatabia, fromazy "mozarella", filet, basilic ary menaka oliva.


Copyright Image : © Lapizzashop

Pâtes à la bolognaise

Tsy dia ankafizin-dry zareo italiana loatra ny "mine-sao", izany hoe "pâtes" ampiarahana amin'ny legioma. Ho andry zareo italiana, ny "bolognaise" no tena malaza. Spaghetti no ampiasaina ka asiana saosy vita amin'ny totokena, voatabia, tongolo, tongologasy ary fromazy "parmesan".


Copyright Image : © OhMyMag

Lasagnes

Any amin'ny faritra avaratr'i Italie no tena mpiangaly ny fikarakarana Lasagnes. "Pâte" efajoro manify izy io. Maka singany maromaro atao avoavo, ka fangaro matsiro no atao eo anelanelany. "Sauce bolognaise" no ampiasaina amin'izany, izay ampiasana totokena, voatabia ary fromazy (mozarella na parmesan). Andrahoina amin'ny laforo ny lasagnes ka tonga toy ny "gratin".


Copyright Image : © Galbani

Osso Buco

Hena saosy ny "Osso Buco". Andrahoina sy omena tsiro amin'ny legioma sy divay fotsy ny nofonken'omby. Ilaina ihany koa ireto fangaro ireto : lafarinina, menaka oliva, dibera, dipoavatra. Asiana voatabia, tongolo, tongologasy, persily ary voasary makirana io laoka io mialoha ny handrosoana azy eo.


Copyright Image : © Recipes

Risotto

Mahavoky sady matsiro ery ny "Risotto à la Milanaise". Ny fikarakarana no hafakely satria andrahoina amin'ny "bouillon" ny vary. Vita amin'ny hena sy legioma matetika io rano matsiro io. Avy eo dia tsihifina ny vary ka endasina amin'ny dibera sy tongolo. Rehefa miova loko ny vary dia asiana divay fotsy. Asiana sira sy dipoavatra avy eo ary aroso mafana. Azo ampiana "safran" (tamotamo) ny vary raha tiana hahazo loko mavo.


Copyright Image : © 750g

Carpaccio de bresaola

Manana "charcuterie" miavaka ny italiana, dia tsy inona izany fa ny Bresaola. Hen'omby maina miloko mena izy io, ka tetehina manify. Zara raha misy menaka izy io. Rehefa hikarakara ny sakafo dia ireto ny fangaeo ampiarahana amin'ilay Bresaola : dipoavatra, ranom-boasary makirana, menaka oliva ary fromazy parmesan.


Copyright Image : © La fromagerie Hamel

Tiramisu

Mofomamy nentindrazana italiana ny "Tiramisu". Tamin'ny taonjato faha-XVII no nanamboarana azy voalohany tany Toscane. Amboarina ho "crème" ny mascarpone, ny kafe, ny atody ary ny siramamy. Azo asiana voankazo ihany koa. Io fangaro io avy eo no atao eo anelanelan'ny "biscuit" na "génoise". Ampangatsiahana ny Tiramisu ka aroso mangatsiaka tsara. Azo asiana vovoka kakao ny eo ambony hanaingoana azy.


Copyright Image : © Culinary Hill

Lire la suite

Articles Similaires