• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Parents.Fr
Image
Fahasalamana&Sakafo

Toetr’andro mivadibadika : tandremo fa mankarary !

04/10/2024 11:45 © Moov.Mg

Tao anatin’ny andro vitsy dia tsikaritra fa miovaova tanteraka ny toetry ny andro, indrindra ny eto afovoan-tany. Mangatsiaka be ny maraina avy eo mafana be tampoka dia miverina mangatsiaka be indray. Mety misy fiantraikany ratsy eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana io fiovaovan’ny mari-pana io ka mila fitandremana hatrany.

Inona no fiantraikan’ny fiovaovan’ny mari-pana eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana ?

Rehefa vaninandro manasara-taona toy izao no tena miseho ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fivadibadian’ny mari-pana anatin’ny tontolo andro. Io fiovaovan’ny mari-pana io nefa dia mety misy fiantraikany eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana, toy ny harerahana sy ny fihenan’ny hery fiarovana ka mahatonga ny vatana ho mora andairan’ny otrikaretina.
Marihana fa ny vatan’olombelona dia manana mari-pana manodidina ny 37°C. Ny « hypothalamus » no miasa amin’ny fandrindrana ny mari-pan’ny hoditra sy ny rà. Rehefa lasa mafana na mangatsiaka tampoka ny andro dia lasa midina na miakatra tampoka ihany koa ny hafanan’ny vatana. Izany dia mampihena ny herin’ny vatana sy mampidina ny hery fiarovana.
Ny ankizy, ny beantitra sy ireo olona manana olana amin’ny taovam-pisefoana no isan’ireo tena tsy mahazaka io fiovaovan’ny toetr’andro io. Ny hatsiaka no tena isan’ny mampiasa be sy mamizaka ny hery fiarovana. Mahatonga antsika ho mora andairan’ny viriosy miparitaka eny amin’ny rivotra eny izany, indrindra raha mihiboka anatin’ny toerana mihidihidy sy be olona.

Torohevitra hiarovana ny fahasalamana manoloana ny toetr’andro mivadibadika

Mba hiatrehana ny toetr’andro mivadibadika sy mba hiarovana ny fahasalamana mandritr’izany dia ilaina ny :
Manao akanjo mifanaraka amin’ny toetry ny andro. Ny tsara dia ny manao akanjo mafana hatrany rehefa mivoaka ny trano ny maraina. Asiana akanjo maivana ihany nefa ao anatiny raha sendra mipoaka be tampoka ny masoandro rehefa atoandro. Ny tanjona dia ny hiarovana ny vatana amin’ny hatsiaka sy ny hahafahana manao akanjo mangatsitsiaka raha mafana tampoka ny andro.
Mihinanana sakafo ara-pahasalamana. Io no fomba isan’ny mandaitra indrindra amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana amin’ny fomba natoraly. Arak’izany dia sakafo be otrikaina sy mineraly no atao betsaka rehefa misakafo. Anisan’izany ny voankazo sy ny legioma, ny trondro, ny ronono sy ny vokatra azo avy amin’izany, ny hena… Tsy adinoina ny misotro rano tsara anatin’ny tontolo andro.
Manao fanatanjahantena. Manampy betsaka amin’ny fampitomboana ny hery ny vatana sy ny hery fiarovana ihany koa ny fanaovana fanantanjahantena 30 minitra isan’andro. Mahatonga ny vatana hiasa tsara sy tsy ho mora vizaka manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fanaovana izany.
Misoroka ny fiparihan’ny viriosy sy ny mikraoba, indrindra ireo mitondra ny sery, ny gripa, ny areti-kibo… Anisan’ny atao amin’izany ny fizarana manasa tanana amin’ny rano sy savony isan’andro, ny fanaovana aro-vava orina, ny fanapenana vava rehefa mikohoka na mievina…

Lire la suite

Articles Similaires