• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mjs
Image
Vaovao

Faritra Atsimo-Atsinanana : Nihaona tamin’ny Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena ireo Solombavambahoaka

02/10/2024 10:23 © Moov

Ho amin’ny fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahantena ao amin’ny faritra Atsimo- Atsinanana no anton’ny fihaonana nisy teo amin’ny Minisitra sy ireo Solombavambahoaka miisa 5 avy any an-toerana. Nifampidinika sy nifampiresaka ny amin’ny fomba hanatrarana izay tanjona izay no antom-pisian’izany fihaonana izany.

Tonga tetsy Ambohijatovo tamin’izany i Raby Savatsarah Ain’Harimanga, solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao Farafangana. Eo ihany koa i Andrianambenana Velomihoatra Painchard, solombavambahoakan'ny madagasikara voafidy tao Farafangana. Ny solombavambahoakan'ny madagasikara voafidy tao Midongy Atsimo, Ratolojanahary Arsène sy i Razafindriatsara Jonhson Anatol, solombavambahoakan'ny madagasikara voafidy tao Befotaka Atsimo ary Maminirina Jolce, solombavambahoakan'ny madagasikara voafidy tao Manakara.

Fotodrafitrasa manara-penitra

Nifantoka tamin'ny fampandrosoana ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny fihaonana. Voaresaka nandritra izany ny hametrahana foto-drafitrasa manarapenitra maro isan-karazany sy ny fanatsarana ireo foto-drafitrasa efa misy any amin’iny Faritra iny. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Filoham-pirenena izany asa izany ka izay indrindra no handraisana azy ho tena zava-dehibe. Efa maro ireo faritra no manana izany toerana manara-penitra izany ka tsy ho ambakan’izany ny faritra Atsimo Atsinanana. Anisan’ny votoatin’ny fihaonana ihany koa ny fomba fitantanana ireo fotodrafitrasa ireo. « Ny ezaka fametrahana foto-drafitrasa manara-penitra dia zava-poana raha tsy mipetraka tsara ao anatin’ny mangarahara ny politika hitantanana azy ireny. Ao anatin’izany dia tokony samy tompon’andraikitra avokoa manomboka aminareo olom-boafidy », hoy ny Minisitra, Marson Moustapha Abdullah Nahavelom-bolo ny fihaonana satria dia samy naneho ny fahavononany hiara-hiasa ho fampandrosoana ny Tanora sy ny Fanatanjahantena na ny Minisitra na ireo solombavambahoakan'i Madagasikara.

Fampandrosoana ny tanora

Anisan’ny teboka nifampidinihana ihany koa ny fampiroboroboana ny maha-olona, indrindra ny tanora. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny lafiny indostria ary ny fametrahana ny fitondrana tsara tantana. Ity fampiroboroboana ny maha-olona ity dia hotanterahana amin'ny alalàn'ny fanomezana fiofanana mifanaraka amin'ny fahaiza-manao sy ireo filàna amin'izao vanimpotoana izao. Ao anatin’izany dia napetraka ny tanjona ny hanampy ny tanora any an-toerana hanangana orinasa na hampianatra azy ireo hahay hikaroka sy hampiasa ny fahaizany. Etsy andaniny anefa dia nanazava kosa ny Minisitra fa betsaka ny asa voaforona hateraky ny Fanatanjahantena izay tokony hotrandrahana satria mitondra fivoarana ara-toekarena ho an'i Madagasikara ary indrindra ho an'ny Faritra.

Lire la suite

Articles Similaires