• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Canards Du Lac Brome
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « canard laqué » matsiro

30/09/2024 16:43 © Moov.Mg

Isan’ny nahandro matsiro ary maro mpankafy ny « canard laqué ». Matetika nefa dia lafo vidy tokoa izy ireny rehefa hoanina any amin’ireny toeram-pisakafoanana ireny. Ho an’ireo maniry hanao « canard laqué » ao an-trano ary dia atoro eto ny fomba tsotra fikarakarana izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « canard laqué »

Ho an’ny fikarakarana ny gana
-Gana 1 efa voadio sy nesorina ny atiny ;
-Ron-ken'omby na akoho na legioma (bouillon) 1l ;
-Sakamalaho ¼ ny kaopy ;
-Tongolo 1 ;
-Tongolo gasy voatoto 1 sotro fihinanana ;
-Voasary voavaofy 1 ;
-5 épices 1 sotro fihinanana ;
-Karaoty notetehana madinika 1 kaopy.
Ho an’ny fanaovana ny sauce laqué
-Sauce hoisin ¼ ny kaopy ;
-Tantely 1 sotro fihinanana ;
-Vinaigre de riz 1 sotro fihinanana ;
-Vovoka tongolo gasy 1 sotrokely ;
-Vovoka sakamalaho 1 sotrokely ;
-5 épices 1 sotrokely.

Ireo dingana amin’ny fikarakana

Atomboka amin’ny fikarakarana ny gana. Asisika anatin’ny gana ny tongolo gasy voatoto sy ny tongolo voatetika, ny antsasaky ny 5 épices ary ny voasary nosilahana 2. Hidina amin’ny kofehy ny tongotry ny gana. Avy eo rasarasana amin’ny antsy ny nofon’ny gana mba hidiran’ny saosy avy eo.
Atao anaty vilany lehibe ny « bouillon » ary arotsaka ao ny tongolo, karaoty, ny 5 épices ambiny ary ny hoditry ny voasary. Avela hangotraka eo ambony afo. Avy arotsaka ao ny gana ary avela hiketrika eo ambony afo malefaka mandritra ny adiny 1 ora sy sasany.
Mandritra izay dia atao ny sauce laqué. Afangaro miaraka anaty bol ireo fangaro rehetra dia ny sauce hoisin, ny tantely, ny vinaigre de riz, ny vovoka tongolo gasy sy sakamalaho ary ny 5 épices. Aroharoana tsara hifangaro.
Rehefa tapitra ny 1ora sy sasany dia avoaka ny gana avoaka ny gana ary avela hitsiaka 10 minitra eo ambony karakara misy lovia lehibe ao ambany. Avy eo osorana ilay sauce laqué amin’ny alalan’ny pinceau ny vatan’ny gana. Avela ho maina ny sosona voalohany ary hosorana fanindroany. Fonosina anaty film alimentaire ary apetraka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 4 ora.
Aorian’izay dia andrahoana anaty lafaoro amin’ny hafanana 200°C mandritra ny 50 minitra. Rehefa masaka dia avela mangatsiaka tanteraka vao aroso.

Lire la suite

Articles Similaires