• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Malagasy Ve Ianao
Image
Madagasikara

Tantara : Ireo Mpanjaka nifandimby teto Madagasikara

26/09/2024 14:24 © Moov

Tany amin'ny taona 1100 dia efa nisy mpanjaka teto Madagasikara. Tsara ny manamarika fa tsy teto Imerina ihany no nisy Mpanjaka, satria tany amin'ny faritra aza no nanomboka ny fitondrana faha-Mpanjaka.

Ireto avy àry ireo Mpanjaka nifandimby, miaraka amin'ny tantara fohy mikasika azy tsirairay.

Andriantomara : 1100-1600

Andriantomara no razamben'ny Mpanjaka maro teto Madagasikara. Tao Vohimasina Maroantsetra (avaratra atsinanana) ny tenany no nanjaka. Voalaza fa anisan'ny taranany i Andriateloray (Andriatompokoindrindra, Andrianamboninolona ary ny Andriandranando), sy Andrianampoinimerina. Manaporofo izany fa tsy avy eto Imerina no nipoiran'ny Fanjakan'Andriana teto Madagasikara.

Andriantomaramanana : 1125-1150

Zanaka lahitokan'Andriantomara i Andriantomaramanana. Niezaka nanitatra ny fanjakan-drainy izy, ary nanjaka tao Vohidrazana I. Tany amin'ny faritra Alaotra Mangoro iny izany no tena nahitana Mpanjaka voalohany teto Madagasikara.

Andriantomarafefy : 1150-1175

Nanan-janaka ihany koa i Andriantomaramanana, ka Andriantomarafefy no anarany. Mbola nanitatra ny fanjakana ihany ity Mpanjaka ity ka nanjaka tao Vohidrazana II, mbola tany Antsinanana tany hatrany. Tsara ny manamarika fa samy milevina ao Vohidrazana avokoa na i Andriantomara, na i Andriantomaramanana na i Andriantomarafefy.

Andriandrambondanitra : 1175-1200

Andriandrambondanitra dia zanak'i Andriantomarafefy. Nanitatra ny fanjakana izy ka nanjaka tao Anevoka. Manakaiky an'i Morafeno Andasibe (Moramanga) io toerana io.

Andriantsitakatra : 1200-1225

Fianakavian'ny mpanjaka teo aloha i Andriantsitakatra. Tao Ambohitsitakatra izy no nanjaka, izany hoe tamin'iny faritr'Anjozorobe iny. Voalaza fa anisan'ny nanitatra ny fanjakana avy any Atsinanana ho aty afovoan-tany io Mpanjaka io.

Andrianerinerina : 1225-1250

Taranaky ny Mpanjaka Andriandrambondanitra sady avy amin'Andriantsitakatra i Andrianerinerina, antsoina ihany koa hoe Lahimatoan'Imerina. Nanjaka tao Kilonjy, faritr'i Matsiatra Ambony, ny tenany. Nafenina tao Anerinerina, Kominina Ambohimalaza, kosa nefa izy.

Andriandravindravina : 1250-1275

Nanjaka tao Angavo (faritr'Anjozorobe) ny Mpanjaka Andriandravindravina. Ara-tantara dia Vazimba izy io. Ny anarany dia manambara ny famakivakiany ny ala atsinanana ka nahazoany ny afovoan-tany.

Andrianoranorana : 1275-1300

Taranaky ny Mpanjaka Andriandrambondanitra i Andrianoranorana. Niala teto afovoan-tany izy ka nanjaka tany Maroantsetra sy Nosy Mangabe (nosikely 5 kilometatra miala an'i Maroantsetra).

Andriamanjavona : 1300-1325

Taranaky ny Mpanjaka Andriandravindravina izy, ka nanjaka tao Anandribe, andrefan'Angavo. Vazimba no nipetraka tao an-toerana, ka heverina fa loharano nipoiran'i Andriamanelo sy Ralambo sy Andrianjaka.

Andrianampongandanitra : 1325-1350

Nanjaka tao Ifanongoavana ny Mpanjaka Andrianampongandanitra vao nandray ny toerany. Any akaikin'i Mantasoa io toerana io, ary voalaza fa "renivohitra" voalohany teto Imerina.

Andrianamboniravina : 1350-1375

Rehefa tapitra ny fanjakan'Andrianampongandanitra dia nanjaka indray ny taranany. Nandimby azy i Andrianamboniravina taranany, ka nitoetra tao Beravina, atsinanan' Ankadivoribe.

Andriamoraony : 1375-1380

Tao Ambatondrakorika ny Mpanjaka Andriamoraony no nanjaka. Nandimby azy avy eo ny iray tampo aminy Andranolava, rehefa antitra izy.Nahafantarana azy ilay teny hoe « Mora ony aho fa tsy an-drano-lava ; kiady aho, fa tsy tompon'ny saha : fa mankanesa atsy amin'Andranolava. »

Mpanjaka 5 : 1400-1500

Nandritra ny 100 taona dia Mpanjaka miisa dimy no nifandimby tao Ampandrana Atsimondrano. Ireto avy ireo Mpanjaka ireo : Rafandrana, Ramasindohafandrana, Rafandrampohy ary Rafandramanenitra.

Rangitamanjakatrimovavy : 1500-1525

Zanaky ny Mpanjaka Rafandrandava i Rangita. Nandray ny fitondrana an'Imerina izy ka nonina sy nanjaka teny Imerimanjaka. Ara-tantara dia Vazimba izy io. Renin'Andriamanelo moa ity Mpanjaka ity.

Rafohy : 1525-1550

Teto afovoan-tany, teny Alasora ny marimarina kokoa, i Rafohy nandritra ny fanjakany. Ara-tantara, vazimba ihany koa izy io, ary noheverina fa rahavavin'i Rangitamanjakatrimovavy. Eny Alasora no misy ny fasany, na dia fomba fahagola aza ny mandetika ny vatan'ny maty (rehefa Vazimba) anaty rano.

Andriamanelo : 1550-1575

Rehefa nandray ny fitondrana Andriamanelo, dia niady tamin'ny Vazimba izy, na dia Vazimba aza ny reniny. Nitari-tafika izy mba hampandosirana ireo Vazimba hiala ny afovoan-tany.

Ralambo : 1675-1600

Samy Mpanjaka ny Ray amandrenin-dRalambo : Randapavola zanaka vavin' ny mpanjaka Rabiby teo Ambohidrabiby no reniny, ary Andriamanelo mpanjakan' i Alasora no rainy. Nonina tao Ambohidray-Ambohimalaza, ary nanjaka tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina. Izy ihany koa no namorona ny Fanjakana Imerina Roa Toko.

Andrianjaka : 1610-1630

Nanjaka tao amin'ny Fanjakan'Imerina ihany koa Andrianjaka, zanaka lahin-dRalambo. Nandritra ny fanjakany no nipoiran'ny anarana hoe Antananarivo. Nitarika asa lehibe ny tenany, toy ny fitarihan-drano hanajariana ny honahonan' i Betsimitatatra, nanondrahana tanimbary.

Andriantsitakatrandriana : 1650-1670

Nandimby an'Andrianjaka rainy i Andriantsitakatrandriana. Ravadifo no anaran-dreniny. Teny Ambohimanga izy no nonina sy nanjaka, ilay nantsoina hoe "vohitra manga". Samy niterahany ireo vadiny roa, ka samy nandray fanjakana izy ireo.

Andriantsimitoviaminandriandehibe : 1650-1670

Zanak'Andriantsitakatrandriana tamin'i Ravololontsimitovy i Andriantsimitoviaminandriandehibe. Nanjaka teto Antananarivo izy. Ramahafoloarivo no anaran'ny vadiny. Nisy vadiny hafa kosa nefa, dia Ratompoimbahoaka sy Ramahafoloarivo.
Andriamanjakatokana kosa, zanak'Andriatsitakatrandriana tamin'i Rafoloarivo vadiny faharoa, dia nanjaka tany Alasora.

Razakatsitakatrandriana : 1670-1675

Andrianjaka Razakatsitakatrandriana dia zanak'i Andrianstimitovinandriandehibe ihany koa. Nahazo tany teto Antananarivo izy, teny Ambohidrabiby, teny Ambohimanga ary tany amin'ny faritra Avaratry ny Nosy. Eny Ambohimanatrika izy no milevina.

Andriamasinavalona : 1675-1710

Zanak'Andriantsimitoviaminandriandehibe i Andriamasinavalona, na dia tsy naterany aza fa natsangany. Nahafantarana azy ny nanitarany ny faritry ny fanjakan'Imerina. Ireto vohitra ireto no nanjakan'Andriamasinavalona : Ambohitraina, Ambohiborona, Vakinamboanana, Antanamalaza ary Imerinatsimo.Teny Ambohimanga sy Ambohidrabidy ihany koa izy.

Andrianjakanavalomandimby : 1675-1710

Zanak'Andriamasinavalona i Andrianjakanavalomandimby. Nanjaka tamin'ny ampahany teto Imerina io Mpanjaka io, izany hoe ny "Imerina efa-toko". Teto Antananarivo sy Merinatsimo no nitondra izy, satria efa natolotry ny rainy ireo rahalahiny hafa ny vohitra hafa.

Andrianampoinimerina (rainy) : 1727-1747

Taranak'Andrianjakanavalomandimby i Andrianampoinimerina. Roapolo taona no nanjakany teto Antananarivo. Nanan-janaka mpandimby izy, izay tsy iza fa Andriambelomasina, nanjaka teny Ambohimanga.
Andrianavalombemihisatra : 1747-1767
Zanak'Andriambelomasina, izany hoe zafikelin'Andrianampoinimerina, ny Mpanjaka Andrianavalombemihisatra. 20 taona no nanjakany teto Antananarivo.

Andriambalohery : 1767-1774

Samy zanak'Andriambelomasina na i Andrianavalombemihisatra na i Andriambalohery. Teto Antananarivo izy no nanjaka. Maty noho ny aretina nefa izy ka tsy nasiana "trano masina" ny fasany eny Anatirova.

Andrianamboatsimarofy : 1774-1796

Andrianamboatsimarofy dia andriambavy anabavin'i Andriambalohery. Nifehy an'Imerinatsimo izy ary eny Atsahadinta no milevina. Resin'Andrianampoinimerina izy ka natoka-monina teny Fenoarivo. Noho izany dia tsy nandova Fanjakana ny taranany.

Andrianampoinimerina (zanany) : 1787-1810

Nantsoina hoe Imboasalama ny Mpanjaka Andrianampoinimerina (zanany). Teny Ambohimanga izy no nanjaka. Voalaza fa nanambady tamin'ny vohitra 12 teto Imerina izy noho ny stratejia politika. Nampiombona indray ny Imerina 6 toko io Mpanjaka ireo : Avaradrano, Vakinisisaony, Marovatana, Ambodirano, Vonizongo, Vakinankaratra.

Radama I : 1810-1828

Zanak' Andrianampoinimerina i Radama I, ary nandova izy na dia tsy lahimatoa aza. Nandritra ny fitondrany no nanoratana ny abidia malagasy, tamin'ny alalan'ny teny latina. Nisy mantsy ireo misiônera prôtestanta britanika tonga teto Madagasikara.

Ranavalona I : 1828-1861

Mpanidrahindra tanindrazana i Ranavalona I. Noho izany indrindra dia nanenjika ny fivavahana kristiana. Vadin-dRadama I izy, nefa tsy nifampiteraka izy mivady. Zanany taorian'ny nahafatesan'ny vadiny i Rakoto (Radama II).

Radama II : 1861-1863

Rakoto no tena anaran'ny Mpanjaka. Radama II na Rakotosehenondradama no anarana nisalorany rehefa nandray ny fanjakana izy. Zanaky ny Mpanjaka Ranavalona I izy ka nandova an-dreniny. Nanjaka tapany i Radama II satria dia 2 taona ihany izy no nitondra fanjakana dia niamboho.

Rasoherina : 1863-1868

Vadin'ny Mpanjaka Radama II i Rasoherina. Nampakarina ho Mpanjaka izy rehefa niamboho i Radama II. Izy no mpanjakavavy voalohany nankasitraka ny hanofan' ireo olom-pirenena britanika tany teto. Izy koa no nametraka lalàna mandrara ny fivarotana amin’ny andro alahady.

Ranavalona II : 1868-1883

Ramoma no tena anaran'i Ranavalona II. Zana-drahavavin'ny Mpanjaka Rasoherina izy. Niditra malalaka ny fomba vahiny tamin'ny fotoana nanjakany. Nodorana ireo sampy rehetra nampiasaina teto Madagasikara ka tena nahazo vahana ny fivavahana Kristiana.

Ranavalona III : 1883-1896

Razafindrahety no Ranavalona III. Niharihary ny tsy fanekeny ny ho eo ambany fifehezan' ny Frantsay. Natao sesitany izy avy eo ary nodimandry tany Algérie. Ny 30 oktobra 1938 no tonga teto Madagasikara ny taolambalony.

Lire la suite

Articles Similaires