• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Nestlé Bébé
Image
Reny&Zaza

Sakafo ho an’ny zaza : ny fanaovana akondro amin’ny tantely

23/09/2024 16:18 © Moov.Mg

Isan’ny sarotra tokoa ny mikaroka ny sakafo omena ny zazakely, indrindra rehefa izy manomboka ny erin-taona iny. Mila ovaovaina hatrany ny sakafo omena azy mba tsy ho mora leo izy ireny. Etsy andaniny dia tandremana tsara mba hifanaraka amin’ny taonany izany. Entina eto indray ary ny fanaovana akondro amin’ny tantely, nahandro mety tsara amin’ny zaza manomboka 12 volana.

Ireo zavatra ilaina

-Akondro 1 ;
-Tantely tsy mitapoka 1 sotro kely ;
-Rano 90 ml.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana

Voasa ary sasana ny akondro avy eo tetehana boribory. Tandremana tsara mba akondro masaka tsara no safidiana mba tsy ho andatra ka lasa ratsy tsiro.
Atao anaty vilany kely ary tapohana rano. Andrahoana mandritra ny 2 minitra amin’ny afo antonony.
Rehefa vita dia esorina teo ambony afo ary loharana anaty lovia.
Rarahana tantely dia vita ny nahandro.

Fanamarihana

Ny akondro amin’ny tantely dia afaka omena ny zaza atao goûter. Azo omena azy miaraka amin’ny sakafo maraina ihany koa izy io.
Marihana fa tsy mahazo omena ny zaza latsaky ny erin-taona ity karazana nahandro ity noho izy misy tantely. Mety atahorana mahavoa ny « botulisme » eo amin’ny zaza latsaky ny 12 volana ny fihinanana tantely.

Lire la suite

Articles Similaires