• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Reny&Zaza

Bevohoka : ireo fanohanana azo ataon’ny vady

20/09/2024 15:48 © Moov.Mg

Rehefa bevohoka ny vehivavy dia maniry hanohana sy hanampy azy ny vadiny nefa tsy fantany loatra izay tokony ho ataony. Resahana eto ary ny santionany amin’ireo zavatra tokony ataon’ny lehilahy mandritra ny fitondran’ny vadiny vohoka mba ho hanamaivana sy hanohanana ity farany.

Mampifaly sy mikarakara ny bevohoka

Mandritra ny fitondrana vohoka dia maro ireo fiovana miseho eo amin’ny vatan’ny vehivavy. Anisan’izany ny fiovan’ny vatana, ny fikorontan’ny hormonina… Mety miteraka toe-po maro samihafa izany ka mety halaheloelo, kizitina, mora mitomany… Mba hanohanana ny bevohoka mandritra io fotoana io dia mila miezaka mampifaly sy mikarakara azy ny vadiny. Omena tambitamby, mandefitra raha sendra kizitina ny bevohoka, manome azy ny zavatra na sakafo ilaina, miaraka mandeha misafo… Mitony kokoa ny sain’ny bevohoka rehefa tsapany fa eo anilany sy manohana azy ny vadiny.

Manatsara ny fiainana ara-nofo

Araka ny efa voalaza teo ambony dia mampikorontana ny hormonina ao amin’ny vatan’ny vehivavy ny fitondrana vohoka. Izany matetika dia mahatonga ny fivaviany somary maina ka mety marary rehefa miray ara-nofo na tsy mampahazo fahafinaretana azy. Raha izany no mitranga dia anjaran’ny lehilahy no mitady ny vahaolana hanatsarana ny firaisana ara-nofo. Azony atao ohatra ny mividy « gel lubrifiant » eny amin’ny farmasia mba hanamandinana ny fivaviana sy hampahazo fahafinaretana azy rehefa miray. Raha toa ka tsy mazoto hiray nefa ny bevohoka dia tsy azo terena.

Manotra ny vatany

Satria mihamavesatra ny kibo sy ny vatan’ny vehivavy mandritra ny fitondrana vohoka dia mety mahatsiaro vizaka ny vatany na koa torovana ny hozany. Mba hampitoniana izany dia anjaran’ny vady no manotra ireo faritra mavesabesatra na manakotsako toy ny eo amin’ny ranjo, ny lamosina, ny hatoka, ny ambanin’ny lamosina… Tandremana tsara kosa nefa fa tsy azo horina ny kibo. Raha sendra misy « crampes » dia manampy betsaka ny bevohoka ihany koa ny fanorana mora ny faritra voakasik’izany.

Miaraka mandeha tongotra vao maraina

Isan’ny fanazaran-tena tena ilain’ny bevohoka ny fandehanana tongotra vao maraina. Ankoatra ny fanomanana ny vatana hiatrika ny fiterahana dia manampy betsaka amin’ny fanatsarana ny « respiration » ny fanaovana izany. Indraindray nefa dia malaina izy hiala ny fandriana mafana. Rehefa miaraka aminy nefa ny vadiny dia mety hazoto kokoa izy. Dia tongotra eo ho eo amin’ny 30 minitra isa-maraina no tsara indrindra.

Lire la suite

Articles Similaires