• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aeiam
Image
Vaovao

Fahavitan-tena ara-tsakafo : Mbola mila ampiana tosika ireo mpikaroka mikasika ny fiompiana sy ny fambolena

19/09/2024 10:41 © Moov

Tanterahina eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ao amin’ny Sampam-pianarana Agronomie (Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques ESSA) ny Salon de l’Agronomie amin’izao fotoana izao. Tanjona amin’io hetsika io ny hampiroboroboana ny fikarohana hataon’ireo mpianatra izay afaka mamaly ny vina amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ao anatin’izany dia resy lahatra ireo mpampianatra mpikaroka fa tena mbola mila tohana betsaka ireo mpikaroka ireo raha te hanatratra io tanjona io.

Injeniera miisa dimy arivo

Manan-karena tany afaka trandrahina amin’ny fambolena sy ny fiompiana isika eto Madagasikara. Mbola azo atao tsara araka izany ny manatratra ny tanjona amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nanamarika ireo mpampianatra mpikaroka ao amin’ny ESSA fa mila omena tohana sy fanohanana betsaka ireo injeniera misehatra amin’io fambolena sy fiompiana io ho amin’izany tanjona izany. « Manana injeniera amin’ny fambolena sy fiompiana miisa hatramin’ny 5 000 isika eto Madagasikara. Misedra olana anefa izy ireo ka zary mijanona eo amin’ny famoahana voka-pikarohana fotsiny ny asany. Io politika fampiroboroboana ny asan’izy ireo io no tokony ezahina raha te hanatratra ny vina », hoy ny fanazavana mpampianatra mpikaroka iray eo anivon’ny ESSA. Anisan’izany olana sedraina izany ny tsy fahampian’ny rano, ny tsy fisian’ny masomboly voafantina sy voamarina ary ny zezika ampiasaina.

Tsy ampy ny injeniera

Na dia efa maro aza ireo mpianatra mivoaka ho injeniera ireo ; ary mbola maro ihany koa no liana amin’io sehatra io. Mbola azo lazaina ho tsy ampy ihany ireo mpikaroka ireo raha ny fanazavana. « Tsy vita irery ny famokarana, na eo amin’ny fambolena izany na eo amin’ny fiompiana. Izany indrindra no tokony hanomezana lanja ny traikefa hananan’ireo mpianatra ireo », hoy hatrany ny fanazavana. Tafiditra ao anatin’ny politika hanomezana izany lanja izany ny fanapariahana ny voka-pikarohana, firotsahana amin’ny fandraisana anjara mivantana amin’ny fanorenana orinasa eny ambanivohitra. Ho hita araka izany mandritra io Salon io ny maha-zava-dehibe ny sehatry ny « agronomie ».

Lire la suite

Articles Similaires