• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Ho avy lovainjafy : Tanora 5, hitondra ny feon’ireo tanora malagasy namany, any New York

18/09/2024 15:27 © Moov.Mg

Nanainga omaly, nihazo an’i Etazonia, ireo tanora malagasy tohanan’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, hiatrika ny fivoriamben’ny firenena Mikambana « Diniky ny Hoavy » (sommet de l’avenir).

Tanjon’ny Fampandrosoana Lovainjafy

Chiriac Istichana, Maminirina Haïra Souafat, Jimalison Tsiorisoa Giovanni Niriko, Razafindraibe Tsikiniaina, Totozandry Tianarivelo Gilardy. Ireo izy 5 mianadahy nanainga omaly, hiatrika ny « Diniky ny Hoavy », izay hotanterahina any New York ny 21 sy 22 septambra ho avy izao, sady hanatrika ihany koa ny « Youth Advocate Lab Mobilization », izay natao ho an’ireo mpisolovavan’ny ankizy eo anivon’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF) hotanterahina ny 20-25 septambra 2024. Manampy isa azy dimy mianadahy ireo Rajaonarivelo Mamisoa Fiderana, ilay tovovavy mpampirona (influenceuse), fantatra amin’ny anarana hoe : Fy, izay hanatrika ihany koa ny « Youth Advocate Lab Mobilization ». Hiompana betsaka amin’ny fanaovam-baksiny ny fandraisany anjara amin’ireo hetsika hatao any Etazonia ireo.
Fihaonana an-tampony handraisan’ireo mpitondra Fanjakana maneran-tany anjara ny « Diniky ny Hoavy », ary handray anjara amin’izany ihany koa ny firaisamonim-pirenena sy ny solon-tenan’ireo tanora maneran-tany. Tanjona lehibe amin’ny fanatanterahana ity fihaonana an-tampony ity ny fanamafisana ny firotsahan’ny rehetra, mba hanatrarana ireo Tanjon’ny Fampandrosoana Lovainjafy (ODD), sy ny fanamafisana ihany koa ny fiaraha-miasa, indrindra ho fanohanana ireo firenena marefo.

Dinika ho an’ny fandriampahalemana

Ny fandraisan’anjaran’ireo tanora malagasy amin’ity fihaonana ity dia hahafahan’izy ireo mitondra ny feon’ireo tanora malagasy namany, momba ny zava-misy iainan’izy ireo. Zava-dehibe ihany koa izao fandraisana anjara izao, ho fampiroboroboana ny fandraisan’anjaran’ny tanora eo amin’ny sehatra pôlitika sy amin’ny maha-olom-pirenena. Izany koa dia mba hahafahana mamaritra pôlitika mifanaraka amin’ny filàn’ny tanora sy mamaly ireo fanamby hatrehin’izy ireo, araka ny nambaran’ny Tahirin'ny Firenena Mikambana momba ny fanamafisana ny fandriampahalemana (UNPBF) eto Madagasikara. Hibahan-toerana mandritra ity fihaonana an-tampony ity moa ny momba ny fandriampahalemana. « Ny fandriampahalemana sy ny rariny no tokony hitarika antsika mandritra sy aorian’ny Diniky ny Ho avy », hoy ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, António Guterres, herinandro vitsy lasa izay, raha nanatsidika sahady ireo lohahevitry ny « Diniky ny Hoavy » izy.

Lire la suite

Articles Similaires