• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Conservation International Madagascar
Image
Vaovao

Fambolena : Mbola marefo amin’ny fomba famokarana ny ao amin’ny Faritra Atsinanana sy Amoron’i Mania

18/09/2024 15:22 © Moov

Mbola manafatra sy mividy hatrany ny malagasy amin’ireo filàna ankapobeny. Hita taratra manerana ny Nosy mihitsy izany. Raha ho an’ny faritra Atsinanana sy Amoron’i Mania izao dia tena mbola marefo izy ireo amin’ny famokarana. Hialana amin’izany indrindra no antom-pisian’ny tetikasa Tontolo Voajanahary Lovain-jafy izay tantanan’ny Conservation International (CI). Manome tosika sy tohana ireo tantsaha izy ireo ao anatin’izany.

Fianakaviana 13 800

Tany mamokatra i Madagasikara. Mbola maro anefa ny lesoka mila harenina mba hahafahana mahazo vokatra avy amin’izany tany midadasika izany. Mandray anjara amin’izany tanjona izany ny CI izay hanome tohana sy tosika fianakaviana miisa hatramin’ny 13 800 isaky ny roa taona ao amin’ny faritra Atsinanana sy Amoron’i Mania. Fanolorana fomba sy teknika vaovao amin’ny fambolena no hatolotra ireto fianakaviana amin’izany. Zava-dehibe amin’ny asa ihany koa ny fiarovana ny atiala amin’ireo faritra arovana akaikin’ny fonenan’ny tantsaha. Tafiditra ao anatin’ny tanjona ho amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro izany. Ity farany ity izay anisan’ny mahatonga ny faharefoan’ny famokarana. « Famerenana ny atiala ho amin’ny laoniny no tena tokony hatao. Manala ny entona mangeja ny tany izy io ary manampy ihany koa amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny toetr’andro. Heverina hampiakatra ny vokatra misy izany », hoy ny Tompon’andraikitra avy ao amin’ny CI. Fampiofanana araka izany no tena hatolotra ireto fianakaviana ireto.

Mivelatra ny fihariana

Efa taona maromaro izay no niasan’ny CI teto Madagasikara amin'ireo faritra roa ireo. Amin’ny ankapobeny raha ny fanazavan’ireo tantsaha dia mahomby ny tetikasa. « Efa nanana traikefa izahay teo aloha fa niampy teknika vaovao izany. Nahafahanay nahazo vokatra avo hatramin’ny 4 heny amin’ny teo aloha io teknika nampianarina anay io », hoy ireo mpisitraka ny tetikasa avy any Ambositra. Teknika fambolena legioma sy voamaina isan-karazany no hampianarina ireto tantsaha ireto ary ao ihany koa ireo hanin-kotrana samihafa. Etsy andaniny dia efa mizotra mankany amin’ny fampiofanana momba ny « agribusiness » ihany koa ny CI amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires