• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Nihena hatramin'ny 50% ny famitana ny lalana Vohitraivo - Andilamena (RN3A)

16/09/2024 12:19 © Moov

Nihena hatramin’ny 50% ny fotoana lany amin’ny fandehanana amin’ny lalana Vohitraivo Andilamena izay mirefy 45 km. Mandroso ny asa fanamboarana iny lalam-pirenena faha RN3A iny amin’izao fotoana izao. Nijery ny fandrosoan’ny asa ny Minisitry ny asa vaventy (MTP) Rafidison Richard Theodore ny herinandro lasa teo.

Mizara roa ny asa

Nozaraina roa mazava tsara ny asa fanamboarana amin’iny lalam-pirenena iny. Ny tapany voalohany no tanterahina amin’izao fotoana izao io. Manomboka eo Vohitraivo hatreny Befoza izany. Mifantoka amin’ny fanamboarana ireo teboka tena manahirana ny mpampiasa lalana ny asa mandeha. Misy ireo lalana ho rakofana tara ary misy ireo izay ho atao « béton » ary misy ihany koa ny fanolona ireo tetezana hazo ho « béton ». Efa ny 35% ny asa no mandeha amin’izao fotoana izao. Marihina fa vatsian’ny « Fonds Routier » na Tahirim-bolan’ny lalana ny fanamboarana ity ampahan-dalana voalohany ity. « Hotohizana ny fanamboarana rehefa mivoaka ny teti-bola hanatanterahana izany. Tsy maintsy ho vitaina kosa anefa io lalana mirefy 45km rehetra io », hoy ny Minisitra Rafidison Richard. Hatreto aloha dia mbola ny orinasa sinoa CGC no manatanteraka ity tapany voalohany ity.

Asa fanatsarana sy fanamafisana

Nanamarika ny minisitra fa tena nampijaly ny vahoaka izany lalana izany teo aloha. Tsikaritra izany na teo amin’ny lafiny famoaham-bokatra na fitaterana olona na fampandrosoana amin’ny lafiny maro. Araka izany, nandritra io fitsidihina io dia nanome toromarika manokana ho an'ny tekinisiana sy ny tompon’andraikitry ny tsenam-barotra ny Minisitry ny Asa Vaventy, ny hijerena akaiky ny asa fanatsarana fanampiny mba ho vita mandritra izao asa fikojakojana izao. Ao anatin’izany ohatra ny fanamafisana ireo tetezana hazo izay havadika ho lasa « beton » mba hahazaka ireo vesatra maro be amin’ny entana. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fitsidihana ny lalana manodidina ny reniranon’Alaotra, manomboka any Ambatondrazaka hatrany Vohitraivo, amin'ny RN 44 avaratra sy ny RN3A. Mikendry ny hampitombo ny vokatra mivantana ho an'ny mponina ny ezaka ataon’ny MTP amin’izany fampiasam-bola izany.

Lire la suite

Articles Similaires