• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Youtube
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana cornets à glace vita ao an-trano

13/09/2024 14:53 © Moov.Mg

Efa mananintanina indray ary ny vaninandro mafana ka efa hanamboatra glace daholo indray isika tia izany. Mba tsy hividianana ny cornets efa vita dia atoro eto indray ny fanamboarana cornets à glace ao trano.

Ireo zavatra ilaina raha hanao cornets à glace

-Tapotsin’atody 2 ;
-Siramamy 100g ;
-Ronono masaka 3 sotrokely ;
-Dibera 255g ;
-Lafarina 150g ;
-Extrait de vanille 1 sotrokely (tsy voatery).

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Kapohana ny tapotsin’atody, siramamy sy extrait de vanille. Kapohana vetivety, tsy atao mibontsina lasa fotsy.
Arotsaka ao ny ronono masaka efa mangatsiaka, ny dibera efa natsonika ary ny lafarina. Aroharoana mafy sy haingana mba tsy hisy tambaingambaingana miforona.
Afanaina ambony afo malefaka ny lapoaly. Ilay karazana lapoaly tsy miraikitra no ampiasaina.
Rehefa mafana ny lapoaly dia arotsaka eo ny paty 1 sotro fihinanana ary atao miparitaka amin’ny velaran’ny lapoaly. Tokony ahazo galette tsy manify.
Avela ho masaka eo mandritra ny 2 na 3 minitra dia avadika. Avela ho masaka eo ihany koa ny lafiny ambadika io dia esorina.
Rehefa masaka dia ahorina manodidina ny « cône » mba ahazo ny endrika ilaina. Afaka amboarina ao an-trano io « cône » io, ohatra amin’ny alalan’ny baoritra nofonosina papier aluminium. Mila akora mahazaka hafanana fotsiny. Mila kingakinga manorina azy ilay vao mafana iny satria lasa mafy sy mora tapaka raha vao mangatsiaka.
Rehefa mangatsiaka tanteraka ny cornets à glace vao asiana glace ao anatiny. Afaka atsoboka kely anaty sokôlà natsonika ny lohan’ny cornet tsirairay hanomezana tsiro sy endrika azy.

Lire la suite

Articles Similaires