• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Chicco.Fr
Image
Reny&Zaza

Fitaizana : ireo tsara fantatra mikasika ny fitrotroana ny zaza

13/09/2024 09:43 © Moov.Mg

Satria mbola tsy matoy ny vatanan’ny zaza kely dia mila fahaizana sy fitandremana ny fitrotroana azy ireny. Izany dia mba hiarovana azy tsy ho folaka sy hisorohana ny mety ho tsy fahatomombanana vokatry ny tsy fahaizana mitrotro azy. Araho eto ary ny fomba fitrotroana ny zazakely sy ny torohevitra tsy hamizaka be ny mpitrotro.

Ny fomba fitrotroana ny zazakely

Miankina betsaka amin’ny volana sy taonan’ny zaza ny fomba fitrotroana azy. Tsy mitovy tokoa mantsy ny fomba firafitry ny vatana sy ny hozatra eo amin’izy ireny. Mivoatra manaraka ny fitombon’ny zaza noho izany ny fomba fitrotroana azy. Misy ihany nefa ny fomba fitrotroana zaza azo ampiharina na eo amin’ireo mbola kely na ireo efa lebebe.
-Ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 3 volana
Hatramin’ny faha 3 volany dia mbola tsy mahavita mitazona tsara ny lohany ny vatan’ny zaza. Amin’io fotoana io nefa izy no tena trotroana be. Rehefa mitrotro azy arak’izany dia mila arovana sy tohanana tsara hatrany ny lohany.
Azo trotroana mifanatrika amin’ny tena ny zaza mba hampitoniana azy. Atao miankina eo amin’ny kibo izy mba ahenoany ny fitempon’ny fo ka mampatsiahy azy ny tao an-kibo izany.
Mety ihany koa ny mitrotro ny zaza ka atao miankina eo amin’ny soroky ny mpitrotro ny lohany sady tohanana ihany eo amin’ny hatony mba tsy hivadika any aoriana tampoka. Ny tanana ilany izany eo amin’ny hatony ary ny ilany manohana azy eo amin’ny fitombenany.
-Ho an’ny zaza 3 hatramin’ny 6 volana
Rehefa feno 3 volana ny zaza dia manomboka liana mikasika ny manodidina azy ka mety mierikerika sy mitoditodika rehefa trotroana. Mety mbola tsy mahazaka tsara ny lohany nefa izy amin’io fotoana io. Mba hanamora ny fitrotroana azy dia :
Trotroana mitodika any aloha ny zaza. Atao miankina amin’ny kibon’ny mpitrotro ny lamosiny, tazomina amin’ny tanana ilany ao ambanin’ny fitombenany ary amin’ny tanana ilany ny eo amin’ny tratrany.
Manomboka amin’ny faha 6 volana, na aloha kely, dia efa mahazaka ny loha ny zaza. Efa tsy voatery tohanana intsony ny hatony, efa afaka babena…

Fomba atao tsy ahavizaka ny mpitrotro

Isan’ny zavatra mamizaka mandritra ny fitaizana zazakely ny fitrotroana azy. Rehefa voafehy kosa nefa ny fomba fitrotroana azy dia voatsinjara tsara ny lanjan’ny zaza ka tsy hamizaka be loatra ny mitrotro azy, eny na mandritra ny fotoana maharitra aza. Toy izao manaraka izao ary ny fomba atao :
-Atao mahintsy tsara ny vatana rehefa mitrotro zaza. Izany hoe tsy mihondrika mankany aloha fa mijoro mahintsy tsara. Sady tsy mora vizaka no tsy harary ny lamosina rehefa manarak’izany torohevitra izany.
-Rehefa mitrotro ny zaza dia asiana tanana hatrany ao ambanin’ny fitombenany. Izany dia mba hiparitahan’ny lanjany tsara manerana ny vatany satria lasa mivokona ny lamosiny ary miankina eo amin’ny tratran’ny mpitrotro azy ny lohany.
-Ovaovaina ny fitrotroana ny zaza sy ny tanana hivesarany rehefa mitrotro azy. Misoroka ny fararian’ny lamosina sy ny sandrin’ny mpitrotro ny fanaovana izany.

Lire la suite

Articles Similaires